Edito

Vava efa zatra mandainga…


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Na ireo vonona sy mikofokofoka amin’ny propagandy na ireo misalasala sy miketrika mafy ny hisian’ny fampiatoana ny fifidianana dia samy hotsarain’ny karatra eo amin’ny 7 novambra,

raha tsy misy ny mety ho fiovana mahery vaika sy zavatra tsy ampoizina ato anatin’ny tapa-bolana. Betsaka ny zavatra toa somary mahatsikaiky sy mampihomehy ato anatin’ity tantara ity, indrindra fa ny zavatra resahin’ny kandida izay hahafahan’ny Malagasy ihany koa mitsara ny fahamatoran’izy ireo. Ny hirariana dia mba hizotra araka ny tokony ho izy sy hangarahara ity fifidianana ity. Asa lahy na niverina ho tanora fanahy indray ilay nilaza ho efa nihamatotra roa volana lasa izay, fa dia mandeha hatrany ny fampanantenana paradisa ho an-dRamalagasy e ! Niaiky tamin’izany fa tsy mitovy intsony, hono, izy tamin’ny taona 2009 sy amin’izao fotoana izao. Tsy efa naman’ny manaiky ve izany fa fanahin-jaza no toetra nentina nitantana ny firenena taorian’ny fandravana, fandrobana, fandorana,… ary nangorona harem-pirenena araka izay tratry ny saina sy ny hery, ka tsy atao mahagaga raha mena ny tondro rehetra tao anatin’izany, ary potika ny fiainam-bahoaka. Izao indray izany, dia miteny fa nilatsahan’ny fanahy masina sy efa niova, fa tsy toy ny taloha intsony ? Tanana zatra mitsotra io e ! Niala tamin’ny hala-tahaka tamin’ny tenin’ilay iray nohenjehina fahiny, dia namorona fampanofinofisana tahaka ny natao 8 taona lasa izay, dia toa miteniteny foana izany, toy ny hoe: Hanisy toeram-piantsonan’ny fiara, hono, eo an-tokotanin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP e ! Hanome fiara afaka mananika tendrombohitra sy mandeha amin’ny rano e ! Asa lahy na lany bala sy lany abobo, ka izay hitsin’ny vava sisa. Hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka na ny any anaty vilaniny ve izany ? Efa azo hifampitsarana ny nafitsoka teo, ary tsy adala ny Ntaolo raha nilaza hoe: “ny tanana zatra mitsotra tsy afaka hivokona intsony” ary mbola hampiantsika aza hoe: “Ny vava efa zatra mandainga, tsy afaka hikombona intsony”. Anjarantsika no manokatra ny mason-tsaina sy ny masom-panahy e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT