Edito

Vary sy tsiparifary


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Miroso tsimoramora mankany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pireneny hatrany Ramalagasy.

 

Maro dia maro ny kandida, saingy misy ihany ireo somary misongadina. Hifampitsapa sy hifampitsara amin’izay ny nifanjevo hatramin’izay, toy ny mpanongam-panjakana sy ny naongana. Efa nisy ny fikofokofohana hatry ny ela ho an’ny andaniny, izay te hikosoka mafy ny laza ratsy tany amin’ny 9 taona lasa. Mafy izany te hamafa ny anarana hoe: “mpanongam-panjakana” izany, ka dia mba manao izay hahalany amin’ny fifidianana ara-demokratika, hono e ! Asa lahy fa toa voapaingotra any Lafrantsa any indray amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ny aferan’ny akama mpiray afera hatramin’izay, ary mety ho voasaringotra sy tsy ho afa-bela. Dia mahagaga ihany koa fa hatramin’izay natao, dia hoe any Lafrantsa foana no iaingan’ny sera rehetra, hoy ny tanora. Aiza ve ka mandeha ny hoe vina hampandrosoana ny firenena, dia tany no nampahafantarina. Mamoaka boky mandokadoka ny tena dia any ihany. Miavaka amin’izay ny vary sy ny tsiparifary ankehitriny, ary hatry ny ela ny Malagasy no tonga saina hoe: iza no efa zatra mamadika tanindrazana hatramin’izay, ary mbola mitetika ny ho kalabe amin’izao fotoana izao. Iza kosa no nahavita sy mbola hahavita ary andrandrain’ny Malagasy ? Misongadina ary tsy avelan’ny tarany tsy hamiratra ny efa nahavita sy mbola hahavita ary handrandrain’ny ambanilanitra maro an’isa e ! Aleo ny tantara no hitsara ary ny hirariana dia hangarahara tokoa ity fifaninanana ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT