Edito

Vary mangatsiaka


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Amin’ny faramparan’ity taona ity no hanatanterahana ny fivoriamben’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara eto Antananarivo. Mandritra izany no handinihana indray ny dosie Madagasikara ka amin’izay vao ho hita ny vola fanampiana mety ho azontsika

 Tsy misy aloha izany ny vola be mivoaka mialoha an’io ary na hatao aza ny fivoriana tsy midika velively hoe tonga dia ho azo ilay ambim-bola 8 miliara dolara ilaina amin’ny fanatanterahana ny PND na ny fandaharanasan’ny fitondrana Rajaonarimampianina, fa mbola maro ny fepetra sy fitsipika tsy maintsy harahana. Mihodikondina am-pitoerana fotsiny izany aloha isika mandra-pahatongan’io fivoriana io. Malaina miara-miasa amintsika ireo mpamatsy vola satria maro be loatra ny zavatra tsy mandeha amin’izay laoniny eto, voalohany amin’izany ny tsy fisian’ny fitoniana politika noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fitarazohan’ny fampihavanana efa nifanarahana fa tsy maintsy hatao. Izay no nahatonga ny SADC mbola niteny ihany farany teo hoe ampiharo manontolo ny tondrozotra…Misy asa tsy vita izany, ka rehefa tanteraka io vao ho avy ny mpiara-miasa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT