Varoboba!

«Varoboba! Varoboba! Braderie tsisy ohatr’ity!»,


  • Alatsinainy 02 Jona 2025

hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,

indrindra, eo amin’ny atao hoe tontolon’ny tsena raha tsy any amin’ny toerana misy ny antsoina hoe «Varoboba!»? Filatsahana fihenam-bidy be tsy misy toa azy izany ka tsy mahagaga raha hifanotofan’ny olona. Lasa eto ny saina mijery ilay atao hoe firenena malagasy amin’izao fotoana izao. Omena 60.000ha be izao ny israelianina hanatontosany famokarana. Ny amerikanina sy ny mpiara-miasa aminy miady mafy hatramin’izao ny hahafahana mitrandraka ny Base Toliara ary ny fitondràm-panjakàna malagasy mihitsy io miaro azy sy mandresy lahatra ireo mponina ao an-toerana io mba handehanan’ilay fitrandrahana fasimainty ao an-toerana kanefa ny amerikanina manana fasimainty any aminy fa tsy trandrahany. Tsy mba ilay orinasa akory no mandresy lahatra ireo mponina ao fa ny fitondràm-panjakàna malagasy mihitsy. An-taonany maro no adihevitra be hatrany ny hoe firy isan-jato amin’ny tombony amin’ireo karazam-pitrandrahana ny harena eto amin’ity firenena ity marina moa, izay ataon’ireo orinasam-pitrandrahana goavana efa manao ny azy eto ireo, raha tsy hitanisa afa-tsy ry Ambatovy sy QMM na Rio Tinto, no tena anjara miditra ao anaty kitapom-bolam-panjakàna, raha toa ka tsy marina tokoa ny filazàn’ireo mpanao politika sy mpanohitra ny fitondràna Rajaonarimampianina tamin’ny andron’ny Soamahamanina hoe 1% monja? Tao anatin’ny fitondràna Ravalomanana no efa tsy nety tena nazava tamin’ny mpanara-baovao ny mikasika izany. Mbola toy izany koa ny zava-nisy tao anatin’ny fitondràna nanaraka azy voalaza teo. Ireo orinasa voakasika indray no niezaka nanome fiofanana ny mpanao gazety tamin’ireny fotoana ireny naneho fa manodidina ny 40% eo ilay anjaran’ny fanjakàna malagasy. Raha marina tokoa ary izany dia maninona no fadiranovana ireo faritra manodidina ireny toeram-pitrandrahana goavana efa mandeha ireny? Maninona no mbola mahantra velona eo imason’izao tontolo izao ity firenena ity? Nanahoana izao no niafaran’ny Bas Mangoky? Miditra indray io ny fifanarahana amin’ny israelianina sy ny tany arabo toa an-drizareo dobaioty. Aiza ny mangarahara momba izany rehetra izany? Ahoana moa no tsy ho lasa ny sain’ny mpanara-baovao sy ireo heverina ho mbola tena tia tanindrazana eto amin’ity firenena ity hoe ho atao varoboba tanteraka ve izany ity firenena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT