Edito

Vaovao tokoa ve ?


  • Zoma 23 Desambra 2016

Mampivarahontsana no sady mahakivy ny mahita fa efa hifarana ity ny taona kanefa dia miha midaraboka hatrany amin’ny lafiny rehetra ny raharaham-pirenena eto amintsika. Nanomboka tany amin’ny volana janoary no efa nandeha ny fitatatatana isan-karazany fa hanjakan’ny kolikoly ny firenena

 

. Nandeha teny ny fotoana dia efa mba nahavelom-bolo ihany ny nahare tamin’ny alalan’ny fanambarana nataona sehatra iraisam-pirenena iray miady amin’ity karazam-pahalovana ity 3 volana lasa izay. Tsy ampy iray volana taorian’izay anefa dia efa voatsipaka indray io filazana io ary farany teo moa dia ny avy eo anivon’ny FFKM mihitsy no niaiky fa dia tafahoatra ny kolikoly eto amintsika. 3 taona lasa izay dia nampanantenaina hery vaovao ny firenena. Mbola mipetraka kosa anefa ny fanontaniana hatramin’izao hoe vaovao tokoa ve izany hery izany sa sanatria tsy vitan’ny hoe efa tonta fa mbola maika hitondra karazzam-pahalovana ihany koa. Hery vaovao hitondra fihatsarana sy fanavotana sa sanatria hitondra faisana vaovao indray ho an’ireto vahoaka efa fadiranovan’ny fahantrana. Raha ny salan’isa farany hita mikasika ireo trangana kolikoly sy fanambaram-pananana fotsiny aloha dia efa azo antoka fa tsy hain’ny ankamaroan’ny valalabemandry ny tsy ho kivy sy ho very fanantenana kanefa dia hirariana kosa amin’izao akatoky ny fety izao ny hisian’ny fahagagana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT