Vao manomboka dia mikatso !

Aty amin’ny fanendrena Praiminsitra sy


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

fananganana governemanta, dia efa hita ho sahirana sy

mihisatra ny Fanjakana ankehitriny. Tsy arakaraka ilay fihazakazahana nanao fifidianana amboletra sy namoaka valiny haingana dia haingana, ary niroso tamin’ny fianianana maika dia maika. Samy miandry rehetra hoe : iza izany no hotendrena ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny ekipa vaovao ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka ? Hisy tokoa ve ny fisokafana sy ny pi-maso amin’ny fanoherana eo anatreha’ny karana toromarina mety tsindry avy ato anatiny na avy any ivelany mahazo ny mpitondra eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana politika ? Mety mbola ho adihevitra sy adivarotra be ihany koa io satria mety hisy indray ny himenomenonana fa ry zareo no namony ny voay dia ny hafa no hiravaka ny vanginy. Rehefa tena jerena amin’ny zava-misy manjo ny firenena, dia endrika ivelany avokoa izany resaka olona sy tsangan’olona hapetraka eo izany, ny fahamarinan-toeran’ny mpitondra no mety hokajiana kokoa,… Ny tena olana mila handaniana rondoha dia ny fahantram-bahoaka, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fananan’asa, ny tsy fisian’ny politikam-pamokarana mahomby sy sahaza ny firenena,… kanefa dia toa lany andro amin’ny adin’akoho ka adino ny adin’ombalahy. Tsy mila fitavozavozana, tsy mila seho ivelany sy ronono an-tavy intsony, fa tena fiarenan’ny firenena sy ny vahoaka no andrasan’ny maro an’isa. Misy ve ny paikady sy ny hoenti-manana ary ny olona tena manana fahaiza-manao hanatanterahana izany sa mbola hena-maso ara-politika no hanjaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT