Vao mainka loza amin’atambo!

Raha te hanova sy hahavita zavatra


  • Zoma 21 Febroary 2025

dia mila miala amin’ny làlana mahazatra sy mitady fomba sy hevitra mahomby kokoa ! Tsy

izay anefa no mitranga raha tarafina amin’ny fiainam-pirenena sy ny fitantanana an’i Madagasikara ankehitriny. Tany amin’ny Repoblika faharoa no nalaza ny filaharana, ny tsaky pôpy,… kanefa dia izany no miverina ankehitriny amin’ny filalaovana ny fahantrana sy fahasahiranam-bahoaka. Noresahana ny jadona sy ampihimamba mbola tsy ampy 20 taona akory izay, fa izao na mivory ara-politika ao an-trano aza mety hahavoasambotra, ny miteny « Jiraman-doza » noho ny tsy fahombiazan’ilay orinasa handoavan-dRamalagasy vola efa mampigadra sy mivadika ho heloka fanakorontnana ny filaminana anatin’ny Firenena, ny resaka fanagadrana politika izay noheverina fa halavirina tahaka fasam-bao vao mainka miha zava-doza ankehitriny,… Ny fahantrana rambony isika, ny fanitsakitsahana ny demokrasia, tsy fanajana zon’olombelona,… igagan’izao tontolo izao kanefa ny filohantsika hono mpitarika mendrika indrindra aty Afrika. Asa izay tokoa ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ventesina ? Asa rahoviana vao mba handinin-teny e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT