Edito

Vao Comesa dia izao sahady


  • Zoma 14 Oktobra 2016

Tsy nisy izay tsy nimenomenona tamin’ny fahatapahan-jiro niseho lany tamin’ny alarobia lasa teo, indrindra fa ireo izay mbola teo am-perinasa.

Nanodidina tamin’ny 9 ora maraina tany ho any dia efa nanomboka tamin’ny ankapobeny izany fahatapahana izany ary saika natetitetika tamin’ireo faritra maromaro toa an’iny nanodidina an’i Soanierana sy andrefana Ambohijanahary iny. Maro ireo mpanao gazety niantso an-telefaonina mba hiezaka anontany ny anton’izany tamin’ny mpiandraikitry ny seraseran’ny Jirama saingy, indrisy, fa tsy nisy namaly. Io omaly io kosa rehefa nanontaniana ny anton’izany dia isan’ny fanazavana azo ny filazana fa ho fitsinjovana ny fizotran’ny fihaonamben’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Comesa no anton’ny fahatapahana matetitetika ato ho ato. Izany hoe, ireo vahiny eny Ivato no omena avara-patana mandra-paha tapitr’ity fihaonam-be ity amin’ny 19 oktobra izao. Dia manamarina ilay nolazain’ny mpanakanto iray izay hoe hifampihatsara ivelatsihy eto foana izany isika satria dia rehefa tonga vahiny ihany vao mamafa tokontany ary manimba entana mihitsy aza raha ilaina izany. Tsy nisy izay tsy vita talohan’ity fihaonana ity; efa natao daholo ny nandrava tranon’olona, ny nibodo tany sy ny maro hafa ary dia tonga indray izany izao ny fanamaizinana ny tontolo andron’ny vahoaka mba hiatsarana ivelatsihy sy hanehoana amin’ireo vahiny fa mazava ny aty. Comesa dia izao sahady ka maika fa frankofonia!

Mirija  

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT