Edito

Vanja milevina


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

Samy nanao izay nety, niezaka nanadino ny tsy fisiana, ny krizy ny ankamaroan’ny Malagasy tamin’ity 2011 ity.

 Nisy ihany ny tsy afa-manoatra noho ny voina tampoka nidona amin’ny fianakaviana saingy tamin’ny ankapobeny dia nanafina ny tsy fisiana ao an-tokantrano fa samy mba namalifaly ny ankohonany araka izay fahafaha-manaony tany ny tsirairay fa hoe fety. Nilatsaka andro alahady ny noely tamin’ity ka dia voahaja ho azy ny “trêve” na ny fitoniana araka ny antsoantson’ireo mpitarika politika nialoha ny noely. Fatra-panaja ny andron’Andriamanitra, alahady, rahateo ny Malagasy na tsy mbola kristianina 100% aza. Toa vanja milevina anefa ny olan’ny polisy, ary ahiana hipoaka tampoka.

Fambara ratsy mantsy ny zava-nitranga tamin’ny sabotsy teo, fotoana nikasana hanolorana ireo voampanga tafiditra tamin’ny famonoana mpitsara tany Toliara ny 09 desambra teo. Tsy nanaiky ny hanatanterahana izany ireo polisy namany, ka naka ireo olona ireo, izay miisa 11, ary nitondra azy ireo eny amin’ny Tobin’ny vondrona polisy eny Antanimora. Inona no zavatra hitranga amin’ity anio ity ? Ny mpandinika mihevitra fa mety hizotra amin’ny lalan’ny “FIGN bis” ity raharaha ity. Ireo mpitsara etsy andaniny mbola mandrangaranga fa hanohy ny fitakiany, dia ny hanalana amin’ny toerany ny minisitry ny filaminana anatiny, lehiben’ny polisy. Ny fiombonamben’ireo mpiasam-panjakana ambony nanohana azy ireo anefa nidera ny Praiministra noho ny fandraisany andraikitra mikasika iny raharaha Toliara iny ka hatsahatra aloha ny fitokonana.

Voatanisa tamin’izany ny fisamborana ireo ambara namono nahafaty ilay mpitsara tany Toliara, ny vinavina hitsanganan’ny sehatra iray hifampidinihana hampirindra ny asam-panjakana eto Madagasikara, sy ny nanaovan’ny Praiminisitra tolo-kevitra amin’ny Filohan’ny tetezamita ny tokony hanesorana ny minisitry ny fitsarana sy ny filaminana anatiny, na farafaharatsiny ity farany. Eny an-kianja mandritra izany dia mitohy tsy miato ny fitakiana ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-20 hiverenan’ireo sesitany politika hody ankalalahana eto an-tanindrazana, hamoahana ny gadra politika, hamohana ireo haino amanjery nakaton’ny FAT tato anatin’izao tetezamita izao. Izany dia arahin’ny vaky bantsilana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT