Edito

Vanja milevina


  • Alakamisy 15 Jolay 2021

Mbola vanja milevina tsy mipoaka mandindona ny Filoham-pirenena ity adihevitra momba ny governemanta ity. Mikofokofoka daholo indray aloha izao ny ankamaroan’ny mpikamban’ny governemanta,

ary saika manao serasera hoenti-mampalaza tena ny ankamaroany. Ao ny niezaka namaha haingana ny olana anatiny any amin’ny departemanta misy any sao ho voatsoaka eo. Ekena aloha ny tsy fahombiazana amin’ny ankapobeny na mety misy ihany aza ezaka madinidinika izay takon’ilay faobe satria ny Fanjakana sy ny governemanta manontolo no hanaovana tombana, na mety handeha ihany aza ny an’ny tsirairay. Raha hanova governemanta, moa mbola misy fahagagana be andrasana hiseho ve amin’izao Fanjakana izao? Tsy Filoham-pirenena hanao na hampanao izay haharatsy endrika azy izany fa adidiny ny mibaiko sy manery ny governemanta amin’ny alalan’ny asa mba hahatsara endrika azy eo anatrehan’ny vahoaka. Mety efa io izany ny tsara indrindra tratra ka anjarany ny manao tombana. Inona no mbola hitazonana zana-baratra tsy hahavita ny raharaha sy andraikitra ankininy amina ao fa hanabe tarehy fotsiny? Ny hita taratra anefa, mihazohazo, sahy tsy sahy, tsy tia hanaovana tsindry,… hany ka mbola minia milalao afo ny Filoham-pirenena. Izy ihany no hiazaka ny taolam-be tsy mitapaka hiandronan’ny rihitra rehetra amin’io. Etsy ankilany, sao dia any amin’ny tanjona sy vina mihitsy ihany koa no efa tsy mipetraka intsony hany ka samy manao izay saim-pantany sy mandeha ho azy ohatry ny kiraron-dRabeminahy araka ny fomba fiteny sisa ny fomba fiasa? Zary lasa misavoamboana sy miankina amin’ny kiana mandeha any amin’ny tambajotra facebook sisa ny fandraisana andraikitra. Roa taona sy tapany sisa andrasana, saingy mahakely finoana ny hisiana fahagahana ao anatin’izany. Fitoniana politika mety ahafahana mamita ny fe-potoana iasana no mety ho vitan’ny fanovana governemanta, fa raha fivahan’ny olana ara-toekarena, sosialy, fiarahamonina,… toa mbola mahakely finoana. Sarotra ny handevona ny vanja milevina nateraky ny fampanantenana poakaty, ny fifidianana tsy marin-toerana, ny tsy fananana vina sy sori-dàlana mazava intsony.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT