Edito

Valy boraingina


  • Talata 11 Oktobra 2011

Marary ny fanatanjahantena Malagasy ! Izay no mahafehy ny zava-nitranga tato anatin’ny herinandro.

 Nipoira tsimoramora ihany mantsy ny nafenina. Federasiona 19 amin’ny 23 no nanoratra taratasy mivantana any amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina milaza ny tsy fankasirahan’izy ireo intsony ny fomba fitantanan’ny minisitry ny fanatanjahantena, Ndremananjary Jean André, izay sady mpanao valy boraingina amin’ny fangatahana rehetra atao aminy, no mbola mandany fotoana miady seza any anaty dinika politika na dia efa fantany mazava tsara izao aza fa maro be ireo laharampahamehana tokony hojerena eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ireto federasiona ireto dia milaza fa tsy manam-bola foana ny ministera isaky ny hifampiresahana.

Efa mba an-taonany maro anefa, hoy izy ireo, ireo atleta no nanomana ireo karazana fifaninanana iraisam-pirenena, ary manana ankizy tena mahavita azy isika amina taranja maro, fa dia tsy te hahalala tsotra izao ny ao amin’ny ministera fa milaza fa tsy manam-bola satria, hono, krizy izao. Ny tena nahasosotra ireto federasiona ireto dia ny teny feno avona sy valy boraingina avy amin’ingahy minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy, ny fanaovana vava be amin’ny gazety sy ny haino aman-jery izay tena miendrika tsindrio fa lavo mihitsy, raha araka ny filazan’izy ireo azy. Nampipoaka ity raharaha ity moa ny olana nahazo ny federasionin’ny “boxe française savate” farany teo, izay voatery nitrosa vola an-tapitrisany ariary mba hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany.

Tsy taitra mihitsy ny minisitra Ndremanjary nilaza fa tsy minisitry ny federasionin’ny “boxe française savate”, hono, izy ka tsy tokony hokorontanina amin’izay olana ara-bola any ! Tsy io federasiona io ihany no efa nahazo teny henjana tahaka izany fa maro be, ka izay no nahatonga azy ireo nanoratra mivantana any amin’ny filohan’ny FAT mba hampahafantarana azy ny zava-misy marina ny amin’ny tsy fahaiza-miasan’ity minisitry ny fanatanjahantena ity, sy ny tokony hanoloana azy raha toa ka tiana handroso ny fanatanjahantena malagasy. Tsy dia mahagaga ity tranga ity satria mpanao politika i Ndremanjary, ary tena variana amin’ny ady seza sy ny fomba hahafahany mijanona maharitra eo amin’ny fitondrana, izy rahateo tamin’ny Repoblika faharoa no minisitra farany ka mety mba notapohan’ny nahazo toerana indray ka lasa mifikitra mafy ankehitriny. Tsy ao amin’ny ministera tarihany ihany no manana olana amin’ny mpiara-miasa aminy ity minisitra ity fa efa hatrany amin’ny vondrona politika misy azy, dia ny HPM izany.

Miady ho lohany ingahy minisitra ary nanao ny fomba rehetra hahatongavany tamin’izany, efa fomba mahazatra ity minisitra ity koa ny mitratrevatreva sy manao teny tsy voahevitra. Dia izao iaraha-mahita izao ny vokany fa misavorovoro ny tontolon’ny fanatanjahantena noho ny ataon’ny olona iray, dia ny minisitra izany. Inoana fa mahalala ny tokony hataony ireto mpikambana ao amin’ny federasiona 19 ireto matoa mandeha manoratra taratasy mangataka ny fanoloana ny minisitra. Matoa efa tonga amin’izany dingana izany ny raharaha dia efa tena mafy ny zavatra nanjo azy ireo. Hanao ahoana ny mety ho fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT ? handamina ve ka hampifanatrika ny roa tonta sa ho sahy hanilika an’Atoa Ndremananjary Jean André ? Azo antoka fa hisy akony eo amin’ny tontolo politika izany, ary akony ratsy ho an’ny FAT.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT