Edito

Valin’ny natao io e !


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Maro dia maro ny fahasosorana sy ny fimenomenomana avy amina sokajin’olona maro samihafa amin’izao fotoana.


Ao ny olon-tsotra, ny mpiasam-panjakana, ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, ny tsy an’asa, ny mpampianatra, ny mpandraharaha, ny mpanao politika. Tsy misy andro iray eto Madagasikara ka tsy handrenesana fa nisy fanolanana, vono olona, fisolokiana, fandrobana fananan’olona, fitsaram-bahoaka tetsy sy teroa…Efa tena ratsy ny fiaraha-monina, mibaribary ny fahantrana, tsy afaka misaina lalina sy mandinika intsony ny olona fa izay hahavoky ny kibony aloha no mahamaika azy. Rava tanteraka ny fiaraha-mientana ho amin’ny soa iombonana, fiarahamonina samy maka ho azy no misy eto. Henjana ny fanakianana mahazo ny mpitondra fanjakana, ny HVM aloha no eo izao dia ry zareo no mamay sofina. Tsy tokony hohadinoina anefa fa nisy fiandohany izao rehetra izao dia ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Efa tena nanomboka niharin-doha ny toekarena malagasy, tafapetraka ny fototra sy rafitra rehetra irosoana amin’ny asa fampandrosoana saingy indrisy fa rava sy potika avokoa izany rehetra izany noho ny disadisa politika sy ny fitiavan-tenan’olom-bitsy. Raha nisy ny tsy nety afaka nifampiresahana fa izany hoe ny fanapotehana moa no hitan’ny sasany fa vahaolana tsara indrindra, dia izao iaraha-mahita izao fa tena potika i Madagasikara ary raha izao no mitohy, atsy ho atsy dia ny Malagasy indray no hanofa trano sy tany amin’ny vahiny eto. Malagasy miray hina, mahay mifanampy sy mifanavotra no vahaolana ialana amin’ny krizy fa raha mbola samy maka ho azy dia tsy misy fanafana fa dia hilentika ity firenena ity e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT