Samy mbola mijoro tsara ary vonona hiatrika hatramin’ny farany ny tolona ny FAT sy ny Ankolafy telo miaraka amin’ny mpomba azy ireo avy raha ny fahitana ireo fanambarana sy fanehoan-kevitra tetsy sy teroa taorian’ny fankalazana ny fetim-pirenena iny ka nanamafisan’i Andry Rajoelina fa manohy ny lalany ny tetezamita ary hivaha tsy ho ela, hono, ny krizy.
. Tsy mbola ato anatin’izao tetezamita izao ihany koa no hahatafidiran’Atoa Ravalomanana eto raha ny fitenin’ireo manampahefana no dinihana. Ny Dr Simao avy amin’ny SADC rahateo efa nanome toky ny praiminisitra fa manam-pahefana tanteraka ny FAT ka anjarany ny mandinika ny amin’izay tokony handaminana ny fiverenana an-tanindrazan’ireo any an-tsesitany. Ity marina angamba ilay hoe maro no voaantso fa vitsy no voafidy. Amin’ny maha Malagasy azy ireo dia afaka mody sy mivezivezy miditra sy mivoaka eto ireo mpanao politika mbola tavela any ivelany saingy misy, araka ny nambaran’ny ao amin’ny fitondrana ny fandaminana ara-teknika amin’ny fanatanterahana izany fa tsy hoe izay te ho avy dia tonga araka ny tiany. Resy lahatra ny zanak’i Dada fa tsy hamela velively an’ingahy Ravalomanana hiditra eto i Andry Rajoelina sy ny tariny ary mety mbola hisy indray aza ato ho ato dosie an’ity filoha teo aloha ity hipoitra tampoka eny amin’ny fitsarana ka hitombo ny fanamelohana azy, dia holazaina indray avy eo fa manana Fitsarana mahaleotena isika ka tsy miditra amin’izany mihitsy ny fanjakana na dia efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza fa manohana tsy misy fepetra an’i Andry Rajoelina sy ny FAT ny minisitry ny fitsarana ary tsy misalasala mihitsy miditra amin’ny adihevitra politika amin’ny haino aman-jery.
Mampieritreritra ihany koa ilay fanambarana avy amin’ny FAT fa afaka mody ny amiraly Ratsiraka, omena pasipaoro diplomatika ary amboarina ny tranony any Ambodiatafana. Tonga koa ny fanambaran’ny Frantsay avy eo fa omena visa ihany koa ny amiraly raha mbola te hiverina any Frantsa. Milamina izany ny an’ny fianakaviana Ratsiraka fa tsy tahaka ny an’ny hafa. Dia miverina ato an-tsaina avy hatrany ny nitranga tamin’ny faramparan’ny taona 2008 raha nandeha nandritra ny 45 minitra tao amin’ny fahitalavitra naorian’i Andry Rajoelina ilay horonantsary avy any Parisy nahitana ny amiraly Ratsiraka nanakiana mafy ny fitondrana Ravalomanana ary nitarika ny fifanandrinana sy ny krizy teto Madagasikara. Nanamafy Atoa Didier Ratsiraka taty aoriana fa tena nanampy an’i Andry Rajoelina handrodana ny fitondran’i Marc Ravalomanana izy, nanome vola ary nisy olony niakatra teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ary maro ihany koa ny miaramilany nanampy an’i Andry Rajoelina.
Ka mipetraka ihany eto ny fanontaniana hoe valim-babena ve izany no ataon’ny filohan’ny FAT ankehitriny raha mamela malalaka ilay nanohana sy nanampy azy telo taona lasa izay, hiditra eto Madagasikara ? Tsy azo adinoina fa politika no resahana, nihavana sy niresaka taorian’ny dinika tany Maputo Atoa isany Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert izay tena mpifahavalo nanomboka tamin’ny 2002, ka niforona nanomboka teo ny Ankolafy 3. Tahaka ny miova anefa ny zava-misy ankehitriny fa ny ankolafy Ravalomanana irery no tena iharan’ny antsojay ataon’ny FAT fa milamindamina kosa ireo ankolafy roa hafa. Ny hamaranana azy dia ny ohabolana vahiny iray manao hoe : «lazaina fa romotra ny alika rehefa tiana hovonoina…», ka am-bava homana am-po mieritra eh !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.