Edito

Valalan’amboa


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Asa na fifanandrifian-javatra fa dia nitsangana ny vovonana mitondra ny anarana hoe Voromahery, hanohana ny floham-pirenena ankehitriny amin’ny fifidianana hono e !


Dia iza re no hofahon’ity voromahery ity voalohany e ? Toa manaporofo ny ady an-tranon’izy mianakavy sahady, ka asa lahy na ireo namana ambara fa nampidi-kizo ilay filoha no hahazo ny anjarany voalohany sy ho voatsipaka am-bavafo ny anarany amin’ny fifidianana. Ho hita eo raha mba hahita mangirana atsy ho atsy na hilentika tanteraka, fa raha halalinina aloha dia toa valalan’amboa iny anarana, izay efa zary miiba, ka ilay tompony aza toa tsy tia hisalotra sy hibaby ny anaran’iny antoko iny intsony. Sarotra ihany koa anefa ny hanary ilay ambara fa akoho mavon-drazana ka ho hita eo amin’ny herinandro ambony raha mbola sahy hisalotra ny anaran’ny Kravaty manga na mba hitondra anarana vaovao e ! Mbola sahy miedinedina ihany ry Rabekoretaka fa diso lalana ireo namana niala tao anaty sambo. Efa maro anefa no nikopak’elatra ary ny ao anatiny toa mbola mifandefona ivoho indray, ka samy maka ho azy. Mihazakazaka kosa ny mpifanandrina maro amin’ny fifidianana mampiseho fa vonona sy sahy, na dia mbola 7 aza ireo kandida hatreto. Matoa manao sahy sy vonona ary manantena. Ao ireo tena tsy mikoso-maso satria samy nosoran-dreniny menaka, hoy ny fitenenana. Raha ny resa-bola rahateo, tao efa samy manana, fa ny isany angamba no tsy mitovy. Na izany na tsy izany, dia ny mahery tsy maody tsy ela velona, ka mametraka ny paikadiny aloha ny sasany e ! Ao ny tena vonona saingy misaina tsara aloha, fa ao ihany koa anefa no nanao tsobodranon-dRamiangaly, ka raha marivo dia hidirana, fa raha lalina dia aleo mihemotra. Amin’io herinandro io mifankahita indray izay sahy sy vonona, ary tena hiavaka io satria ho hita eo amin’izay ireo sokajiana ho goavana sy nandrasan’ny maro izay ho fihetsiny !

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT