Edito

Valalan’amboa


  • Alatsinainy 14 Martsa 2016

Tafaverina an-tanindrazana omaly tolakandro ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina,


 izay vahiny manokana tamin’ny fankalazan’ny nosy Maorisy ny faha-48 taona nahazoany ny Fahalevantena. Namokatra ny dia, raha ny akom-baovao naparitaka tamin’ny mpanao gazety tsy nentina tany an-toerana. Nantsoina ary dia ho avy ny mpandraharaha maorisiana. Nisy efa teto saingy lasa noho ny korontana politika teto tamin’ny 2009, dia milaza ny hiverina indray ary hamorona asa an’arivony. Afaka hanondrana katsaka 2000 taonina mankany Maorisy ny Malagasy amin’ny 2017 ... Manga toy ny lokon’ny karavaton’ny mpitondra ny fifandraisana. Tsy misy maharatsy an’izany kosa aloha. Ampirisihina aza hisihisy ny toy izany, satria tsy mahavita tena irery eto isika. Na izany aza mba mampieritreritra ihany ny fihetsik’ireto mpitondra HVM ireto. Lelafim-paladia mihitsy ny vahiny ho avy eto hampiasa vola, nefa ny mpandraharaha Malagasy vonona hampandroso anaovana antsojay, sy ilàna kisa.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT