Edito

Valalan’amboa


  • Zoma 04 Septambra 2015

Henemana amin’ity anio ity ny dian’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy delegasiona tarihiny any Frantsa.


 Manao pi-maso amin’ny Frantsay sy ireo mpampiasa volan-dry zareo ny lehiben’ny governemanta mba ho avy hampiasa vola aty Madagasikara, fa aty no tena mety raha dokambarotra natao. Ny fandraharahana ara-toekarena eto anefa efa tena anjakan’ny Frantsay. Eto an-toerana indray dia mifaninana mihitsy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta manao izay tsy hahitan’ny orinasan’ny teratany Malagasy masoandro. Eo ny orinasa TIKO, izay na dia mamerimberina sy milaza ampahibemaso izao aza ny tompony fa vonona handoa ny trosa rehetra tsy voaloany raha izay no sakana tsy hamelan’ny Fanjakana ny TIKO tsy hisokatra, dia mihodinkodina mamoron-javatra holazaina hatrany ny minisitra na dia fantatra izao aza fa sady mamorona asa no hampitombo ny harinkarena Malagasy. Eo koa ny MBS, ireo radio efa nikatona an-taonany maro talohany misokatra tsikelikely fa io bahanana tsy handeha. Izany valalan’amboa izany no tsy fantatra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT