« Valalabemandry ialahy ! Rahoviana ihany vao Valalabemifoha ? », hoy ny hiran’i Zokibe Sareraka, Fanontaniana mbola mitombina tsara io ary miantefa amintsika rehetra.
Hatramin’izao, tsy miova ny fomba fijery ankapoben’ny Malagasy ny atao hoe politika ary ny loza dia tsy azon’ny ankamaroany an-tsaina ihany koa ny mety ho fiantraikany amin’ny sosialin’ny tsirairay. Sasa-poana izay miezaka manazava fa ny azy ihany no mety. Diso natanjaka loatra ve ny kolontsain’ny tanana zatra mandray sy ny miandry tataka sa lalim-paka ihany koa ny fiditry ny tsio-drivotry ny hakamoan-tsaina sy ny fifanambakan’ny mpiray tanindrazana ? Hetsika nataona sehatra avy aiza teto moa no tsy mbola niafara tamin’ny fanaovan’ireo mpitari-tolona ho tohatra fiakarana ireo tarihina hitolona ? Na hetsiky ny mpianatra io na tolona sendikaly na tolom-bahoaka, hatramin’ny hetsiky ny mpanao gazety aza mitady ho lomorin’ity fomba amam-panao tsy mitsinjo lavitra ity. Dia mihevitra angamba ireo hoe « mpitari-tolona » fa rehefa mametsifetsy sy manambaka ireo soronany hahazoany ny tombontsoa izay mody hankalazainy fa iombonana dia tsy hijabaka miaraka amin’ny « besinimaro » mihitsy indray andro any ! Iza moa ilay nataon’i Sareraka hoe « Misaotra Anao nanome vahoaka dondrona ! » ? Mba mihevitra ve izy iny fa mihevitra azy ho mahay be ireo mena amboniny faly nahita ny nataony tamin’ny fotoanandrony ? Na mpitondra isika na entina, rahoviana re vao ho valalabemifoha e ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.