Edito

Valala tsy an-tànana tsy hatolo-jaza hoe e ?


  • Zoma 20 Jolay 2018

Vao nirotsaka hofidiana Rajaonarimampianina dia efa nipatrapatraka ny fampanantenana, toy ilay hoe 3 volana dia mivaha ny delestazy, saingy aty amin’ny fiarafaran’ny fotoam-piasana vao may atsy may aroa fa hiasa amin’izay hono.

Aiza ve ka làlana efa tamin’ny 2016 ny lalàna handraisana ny Frankofonia, saingy tsy vita mandrak’androany, fa izao vao hoe atao ary afaka 20 volana vao ho vita. Dia io fa miseho aty amin’ny resaka fampianarana ihany koa satria raha ny fitakiana anie, ka misy amin’ireo mbola takiana amin’izao ny fifanarahana efa vita tany aloha, fa ampiharina sisa saingy tsy iniana tsy atao na tsy vita mihitsy noho aferafera e ! Raha tsy ampiasa hery, dia manao hevitra an-taingina sisa ny fomba hamahana olana, dia ny fampiadiana ny samy mpanabe. Tsy menatra sy tsy mba tonga saina ve hoe ny tomponandraikitra iraisam-pirenena momba ny asa mihitsy no efa manome rariny ny fitakiana eo anatrehan’ny tsindrihazolena mahazo ireo ambara fa loharanon’ny fahalalana ary ain’ny firenena? Dia hiteny sy hanaboribory resaka indray angamba amin’ny hoe ny valala tsy an-tànana tsy hatolo-jaza. Tsy adala ny mpanabe sy ny sendika maro raha mitaky satria misy ny vola, fa ny fitsinjarany no mandeha any amin’ny zavatra tsy hahazoan’ny besinimaro tombotsoa e! Ny dahalom-panjakana no mitavana sy miliba amin’ny vola sy ny harena eto, fa raha misy ny mangarahara sy fahaiza-mitantana tsy ho fadiranovana toy izao ny Malagasy. Ny olana ho antsika dia tsy mba misy ny fahatongavan-tsaina sy ny fiaraha-mientana, ary mbola manaiky ny zarazarao hanjakana, dia izao no hiafarana!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT