Edito

Valala an-karona hatrany


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Tsy mbola ao anatin’ny propagandy isika izao, saingy efa mandeha ny don-tany sy kapo-tandroka samihafa ho an’ny samy kandida.

 

 

Ao ny efa maneho mivantana sy ankolaka fa tena vonona ary tsy mitsoaka ady satria niomana hatry ny ela. Samy manana ny ianteherany ao anatin’ny tantara, toy ny sasany izay mety mahatoky ny rafi-panjakana, izay mihevi-tena ho mitondra ny baolina. Ao ihany koa ny mahatoky ny tenany fa efa nanao ny tsara sy nametraka ho an’ny vahoaka saingy nopotehina ka tonga hanarina. Ao ihany koa ny vao teo ary miezaka mafy ny mivoy fa aleo tohizana izay najorony fa ny hafa indray ve no hitavana an’ireny. Dia samy manana ny ambarany eo, saingy miavaka eo foana ny vary sy ny tsiparifary ! Misy ihany koa ny kandida efa nahafeno fepetra sy tena anisan’ireo mpifaninana, saingy miezaka mivoy fa tsy ilaina io fifidianana io, fa andao aloha hiara-kanangana tetezamita. Ny hevitra tokoa tera-bary angamba, ka dia samy mivoy izay voiziny eo. Mizara roa lehibe ny hevitra eto. Ao ny mankasitraka fa ao ihany koa ny tsy resy lahatra. Rahoviana ihany vao afaka hiray feo sy hiara-kanaraka ny rindran-damina ? Ny rafi-panjakana tokony ho arofanina aza moa indraindray mampiana-dratsy amin’ny fandikan-dalàna. Ny rafitra na ny vondrona heverina hitondra fanelanelanana, toa mbola mandrimandry manan-draharaha sy leo ny afitsoky ny mpanao politika samy mafy loha angamba. Dia hifanipaka lava toy ny valala an-karona lava eto hatrany ve isika ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT