Edito

Vaky ny sambo !


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Miharihary toy ny tafika andrefan-tànàna ny endrika tsy fifankahazoan-kevitra ao anaty fanjakana ao.

 

 Ny minisitra ao anaty governemanta, toa kianin’ny olona anatin’ny fiadidian’ny Repoblika tamin’ilay raharaha Ambohitrimanjaka. Ny samy MAPAR mifanenjana sy mifandefa hafatra mivaivay noho ny fahatsapana depiote roa na mety misy namany hafa fa lasa anjorom-bala kanefa nitolona ny voay. Ny solombavambahoaka fatra-piaro ilay tetikasan’ny filoha miteraka gidragidra toa nisitri-belona. Lasa any amin’ny fanenjehana ny praiminisitra ambara fa tsy miteny sy tsy misoka-bava amin’ny krizin-tsolika indray izao no toa hiantsorohany. Raikitra ny fifanomezan-tsiny sy fifanilihan’andraikitra eo anatrehan’ny zava-misy fa tsy misy intsony ny firaisankina. Toa mifandetika sy mitady izay hanilihana ny rihitra, ka zary misy miasa mafy hanadiovana ilay filoha. Ambara fa ireo olona nomeny andraikitra no tsy mahavita azy. Ny ao anatin’ny fahefana mpanao lalàna, izay tokony hisolovava ny vahoaka lasa solombavam-panjakana. Lany andro mifampiaro na mifandetika sy mifamingana ny ao anaty fanjakana noho ny fisian’ny fitadiavana ranondranony, ka tsy mipoitra ny tena vahaolana. Saika miezaka maka ny fon’ny filoha ireo tompomenakely ka mandoka fa manga ny lanitra, fa ny mpanohitra no fositra. Tsy mety manaiky diso amin’ny fisian’ny zavatra tsy mety sy tsy mirindra. Lasa miteniteny foana sy vao mainka mihantsy ady ilay filoha avy eo. Tena fitiavana sy finiavana hanampy ilay filoha ve ny fakana doka sy fandokafana azy matetika na dia efa hita izao aza fa tsy mety ? Maro ny mpanipy hoditr’akondro ao anaty fanjakana ao. Tsy vitan’ny filoha irery ny fampandrosoana, kanefa tsy fialana bala io satria naka ny fahefana nanao ny tsy fanao mihitsy. Mila vokatra sy vahaolana mafonja ny Malagasy fa ampy izay ny fampanantenana sy ny rendrarendra ivelany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT