Edito

Vaky fototra


  • Talata 29 Mey 2018

Efa iaraha-mahita ary miha mazava isan’andro fa mizotra any amin’ny lalan’ny famonoana hatramin’ny fanantenana ankehitriny ny fitondrana Rajaonarimampianina. Na ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana aza nanome ohatra toy ireny Raiamandreny tsy te hianga-janaka ireny.

Efa hitany miharihary fa diso iny ilay lahimatoa saingy mba tsy hampiady loatra azy sy ny iraitampo aminy dia naleony tsy natao mivantana ny fanapahan-kevitra noraisina. Horavana ny governemanta ? Namaly tamin’ny ampahany ny hetahetanay izay, hoy ireo depiote 73. Mijanona amin’ny toerany kosa ny filoham-pirenena ? Mety aminay indray izay, hoy ireo 79 hafa. Hita ihany fa resy lahatra ireo « Raiamandreny » fa tokony hiala amin’izay Ingahimatoa saingy mba tsy handratra ny fon’ity farany dia naleon’izy ireo natao an-kolaka ny fitakiana ny fialan’ny filoha tamin’ny alalan’ny filazana hoe aleo ny fifidianana andeha aloha. Raha ampitahaina amina tranobe iray onenana fianakaviana maromaro izany ankehitriny ny fitondrana HVM dia efa vaky tanteraka ny fotony na dia mbola ezahan’izay ao anatiny ao hotsentsenana simenitra ihany aza. Tsy ho ela intsony dia ho rendrika ny sambo HVM ary na hihodin-kavia na hihodin-kavanana dia tsy maintsy hiditra amin’ny fanatontosana ilay notakiana teny an-kianja ihany ny filoham-pirenena. Hiala am-boninahitra ve sa hanimba endrika toy izay nisy teo aloha ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT