Edito

Vaky bantsilana indray


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Vaky bantsilana indray ny kilalao politika maloto sy kimaizimaizina amin’ny resaka fifanarahana politika hivoahana amin’ny krizy hono e !


 Ny mpiray donak’afo tao anatin’ny antokon’ny Filohan’ny tetezamita teo aloha aza tsy mitovy hevitra ankehitriny mikasika ny praiminisitra vaovao satria tsy arakaraka ny nampantenain’ny lehibe angamba no nipoitra. Henjana ny fanazavan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly, fa tsy nanasonia fifanarahana politika velively izy, na nezahin’ny sasany noventesina aza ny hoe ny filoha ankehitriny sy ny filoha teo aloha, ary ny filohan’ny tetezamita teo aloha no tena niketrika ny fifanarahana politika. Toa mazava ny kimaizimaizina tao hoe iza sy iza izany no tena nifanaraka ? Tsy mbola misy aloha izany ny tena lalao madio eo amin’ity resaka fitadiavam-bahaolana politika, fa mandeha hatrany ny kajikajy maloto any ambadika any. Sao lahy ka hifoteran’ny rambony na hitodian’ny natao eo no hiafarana. Hotohizana hatrany ve ny fanjakan’ny kimaizimaizina na efa eo anatrehan’ny fahalemana tanteraka aza ireo efa notakiana ny hialany? Havela hataon’olon-tokana tohatra fiakarana ihany koa ve sanatria ny tolona niaraha-nanao? Na ireo mpitarika teny an-kianja aza mantsy toa misy no terena tsotr’izao hanaiky mora foana ny fifanarahana manginginan’iny olona iny tany ho any, saingy io teraka io ny tsy fifankahazoana. Tsy sanatria hanenjika na handoto fahatany, fa rehefa mba fanovana no niafanarahana, dia mila tazonina sy tsy asiana an-kiafonafona ny fanatanterahana ny velirano nifanaovana mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana. Ataovy mangaraharaha raha tena fanovana no tanjona e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT