Nalaza teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara tato ho ato. Anisan’ireo firenena nanao ezaka be tokoa ary notoavin’ny sehatra iraisam-pirenena ny firenentsika nialoha ny taona 2008 satria efa nanomboka nahita ny lalana tokony haleha isika tamin’izany. Efa nitokisana isika ka hatramin’ireo fihaonana iraisam-pirenena aza dia neken’ireo vahiny tamin’izany fa hatao eto Madagasikara raha tsy hiteny afa tsy ny fihaonamben’ny fianakaviambe afrikanina, ny an’ny frankofonia. Hatramin’ny taona 2009 anefa dia mbola nitohy ihany izany lazantsika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany satria dia nitrangana fanonganam-panjakana, fakana fahefana tamin-kery teto ary dia nomelohin’izao tontolo izao.
Nanomboka teo dia very ny fahatokisana an’i Madagasikara sy ny mpitondra ao aminy. Votsotra avokoa ireo fanampiana ara-bola rehetra, ny ankamaroan’ireo tetikasam-pampandrosoana rehetra sy ny maro hafa tsy voatanisa ary na dia ireo fihaonana iraisam-pirenena nokasaina ho natao teto amintsika aza dia nafindran’ny sehatra iraisam-pirenena toerana avokoa. Ny an’ny Vondrona Afrikanina, ohatra, dia lasan’i Lybia ary ny frankofonia dia any Soisa no anatontosana azy amin’izao fotoana izao. Vao tsy ela fa tamin’iny faran’ny herinandro iny dia voaroaka teo anivon’ny fianakaviamben’ny frankofonia ny solontenan’ny FAT tany Soisa, ingahy Rajemison Rakotomaharo. Fahafaham-baraka tsy nisy toa izany no nahazo ity lehiben’ny Antenimierandoholona teo aloha sy ny firenena Malagasy satria dia nahitsy ny tenin’ireo mpitarika ny fivoriana ny amin’ny tsy tokony hanatrehan’i Madagasikara izany fihaonana izany. Nahohoka mihitsy moa ny baoritra nisy ny an’i Madagasikara. Ankoatra izay anefa dia fantatra ihany koa fa dia hiakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa ny raharaha trafikana “bois de rose”.
Mandritry ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny zavaboary hatao any Nagoya, Japon amin’ity anio ity no hitsikafonan’izany raharaha maimbo izany. Mbola ho fanta-daza indray isika amin’izany satria dia hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao. Hanindroa ny mantsina efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Sady halefa mivantana eny amin’ny foibe fampitam-baovaon’ny masoivoho amerikanina rahateo izany loabary an-dasy izany. Diplomasia hafa kely no hataon’ny FAT, malaza tokoa i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam- pirenena. Miaiky antsika koa izao tontolo izao. Ratsy laza anefa ka mampihetry ny maha Malagasy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.