Edito

Vakiraoka mandrakizay


  • Sabotsy 27 Mey 2017

Tsy azo iadian-kevitra intsony fa mihavery tantara hatrany isika Malagasy ankehitriny.


 Mibaribary io amin’ny fihazohazoan’ny ankamaroan’ireo tanora rehefa sendra ny adina na fanontaniana mikasika ny tantaram-pireneny. Nitranga izany tamin’ny fankalazana ny 29 martsa 1947 teo sy ny fankalazana ny 13 mey 1972. Ahiana hisy hiankanakana koa atsy ho atsy rehefa anontaniana ny anton’ny ankalazana ny datin’ny 26 jona. Iaraha-mahita koa anefa amin’izao fotoana fa miha mibahana eto amin’ny firenena ny kolontsaina tandrefana sy aziatika toy ny hira sy mozika. Efa tsy hiakatra eto an-drenivohitra sy faritra maro intsony koa ny henan’omby izay anisan’ny mirakitra harena sy kolontsaina ary hita hatrany amin’ny fanatontosana fomba amam-panao eto an-toerana. Mety tsy hihinam-bary sy henan’omby intsony koa ve ao aoriana kely ao ? Dia hijanona ho vakiraoka mandrakizay koa fanampin’izay satria na dia hatramin’ireo fivoriana efa nalaza ho hafahafa hatry ny ela dia io fa voaray teto koa.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT