Edito

VAKINANKARATRA Miala any ny famindran-toerana ny mpiasam-panjakana


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

Manomboka mitsoka tsimoramora ny rivodoza ho an’ny mpiasam-panjakana ao Vakinankaratra. Mbola eo am-piandrasana izay ho talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ny fampianarana dia re fa manomboka ny famindran-toerana ny ao amin’ny fitsarana ao

mantsy fa nafindra any atsimotsimo any ny mpitsara zokiolona iray, nisahana ny asa tao amin’ny SRMV nandritra ny fifidianana, ka tombanan’ny maro fa anisan’ny anton’ity famindran-toerana ity ny savorovoro sy hala-bato nataon’izy ireo ka namadihana ny vaton’ny kandidà Michel Ambalavato sy ny kandidà Razanakolona tamin’izany fotoana izany, izay saika niteraka savorovoro tao Antsirabe. Raha ny angom-baovao ihany dia re koa fa efa mahafantatra ny mety ho famindran-toerana azy ny Lehiben’ny distrikan’Antsirabe I satria efa nitafa tamin’ireo namany sy ireo mpiasam-panjakana ambony sasany fa efa ho lasa koa, hono, izy ato ho ato. Asa raha toa ka misy hifandraisany ny famindrana satria anisan’ny mpikambana tao amin’ny SRMV ihany koa ity farany ary efa nifety
niaraka tamin’ny kandidà Razanakolona tao Antsenakely raha vao namoaka ny vokatra vonjimaika efa novain’izy ireo ny alahady taorian’ny fifidianana solombavambahoaka. Ankoatra ireo moa dia efa re tsiliantsofina fa maromaro ny mpitondra ao Vakinankaratra no ho zakan’ny « Cyclone », na dia mbola tena ao anatin’ny fankafizana tanteraka ny sezany aza, ary anisan’ny andrasan’ny maro ireo mpitondra tsy namokatra mihitsy hatramin’ny nanendrena azy ireo tao Antsirabe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT