Edito

Vakiana fotsiny ianareo e !


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Mifanisika ny hiady seza ho lasa filoha ny mpanao politika maro, izay tsy vitsy ny mitifitra lanitra mba hahavoazana tendrombohitra.

Efa fantatra izao fa tsy ho lany ny sasany, ary mety zara raha hibata 0% mahery kely aza, saingy mba mitetiky ny ho kalabe hahazo toerana minisitra na hotendrena amina toerana ambony rehefa manohana kandida iray matanjaka amin’ny fihodinana faharoa e ! Tsy mety mihitsy ve raha aty am-piandohana dia efa mba mitambatambatra raha hanao izany ihany any amin’ny fihosinana faharoa ? Samy manana ny heveriny fa tetikadiny tokoa angamba io, fa ny manahirana dia ny hoe tsy misy tsy ilaozan’izay hanonitra ny lany tamin’ny propagandy satria afaka enim-bolana matetika dia mety ho voadaka rehefa avy nomena seza kely ho sandan’ny fanohanana, ka tsy maintsy manangona izay azo aloha fa fandalovana io. Misy kosa ny manam-bola sy hiezaka ny hanao fampielezan-kevitra mafy, tena vory ara-pitaovana saingy iray ihany no ho lany e ! Hilamina sy hipetra-potsiny ve ireny rehefa lany vola kanefa tsy namokatra ? Tsy misy resaka mandrak’androany ny hoe avy aiza tokoa moa izany ireo volabe ampiasain’ny sasany ireo ? Tena mibaribary be mantsy izao ny hoe nisy ny efa tany amin’ny 20 taona lasa no mpanefoefo ary nanana ny orinasa efa fanta-daza, vao lasa filoha, kanefa dia nosoketaina ho mpangalatra ka nodorana fananana sy norobaina saingy hita hoe tafarina sy misandratra hatrany noho ny fahaiza-manaony. Miavaka anefa ny vary sy ny tsiparifary satria nisy ny tsy hita mihitsy tany aloha, saingy vao nahazo fahefana 5 taona dia niroborobo tampoka ny harena rehefa nandroba firenena tamin’ny fomba rehetra. Ilaina ihany ny manaraka tantara fa tsy matimatin’ny endrika ivelany mba tsy hampijoboka ny firenena e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT