Edito

Vakansy


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Fiteny matetika ny hoe ny raharaham-pirenena tsy miandry marary. Efa nilaozan’ny toetr’andro angamba izany raha jerena amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Maro ireo toe-draharaha nafampana nitranga sy mbola hitranga eto amin’ny firenena ato ho ato. Ao ny hetsika politika, ny fitakiana sosialy, ny famonoana vazaha tany Sainte Marie mba tsy hitanisana ny mahazo ny Malagasy, ny olana ara-piaharamonina ateraky ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa any Vohilava Mananjary izay ilana fandinihana maika. Efa ho herinandro no nisehoan’izany saingy tsy mahataitra ny Fanjakana raha toa ka tsy miandry ela ny filoha na ny praiminisitra miantso filankevitra rehefa miseho ny toy izao any amin’ny firenen-kafa. Tamin’ity herinandro ity, izao tsy nisy na filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra. Vanim-potoanan’ny fialantsasatra izao ka tsy te hokotabaina amin’ny fanaovana vakansy angamba ny mpitondra. Vankasy avokoa na ny governemanta na ny Antenimierandoholona na ny Antenimieram-pirenena. Dia vakansy manaraka izany koa ny raharaham-pirenena ? Ny vahoaka efa lanaky ny fitadiavana  andro aman’alina sisa tsy vakansy. Indrisy !

Toky R.        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT