Mivahavaha ny fiheritreretana manoloana ny zava-mitranga rehetra.
Mahavelom-bolo ny maheno fa nisy sitrana ireo narary saingy tsy hay ihany koa ny tsy hiahiahy sy ho sorena manoloana ireo tandrevaka rehetra na ny ataon’ireo mpiara-belona io fa indrindra moa ireo mpanampa-kevitra sy tompon’andraikitra nampanatanterahana baiko. Nipetraka mihitsy moa ny fanontaniana raha nahita ireny tangoron’olona nampivarahontsana nitranga tamin’ireo toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ireny hoe alalana ho amin’ny famonoan-tena faobe ve no sanatrian’izany ho nomen’ny mpitondra? Lojika be ny vokany ny ampitson’iny raha toa ka hita ho nivahavaha indray ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny olompirenena tsirairay satria hitany ho toa mifanohitra ny ataon’ny mpitondra sy izay lazain’ny vavany. Ireny ilay mahatonga ny olompirenena ho alaim-panahy hanontany na tonga dia hieritreritra avy hatrany hoe efa tsy atahorana intsony angamba na tena tsy misy intsony mihitsy ilay aretina. Saika hiverina amin’ny fiainana nahazatra an-davan’andro mihitsy ny ankamaroan’ireo olompirenena omaly raha ny zava-tsikaritra teto andrenivohitra fotsiny saingy soa ihany moa fa nivoaka ireny fiara mifono vy sy tsy laitram-bala maromaro ireny nampatsiahy an’izy ireo fa mbola tena anaty ady isika izao. Tsy tokony mbola ho mandrimandry manana aretina. Ny tena tiana hahatongavana dia hoe mila mpitondra tena mahay mampitony azy sy mahay mametraka rindran-damina matotra hiadiana amin’izao areti-mandripaka izao ny vahoaka malagasy ankehitriny fa tsy tonga amin’ilay fitenenana hoe hafa no lazain’ny vava, hafa no ataon’ny tanana. Hafa no ambaran’ny tena, hafa no lazain’ny namana. Ny tena ratsy aza moa dia ny hoe hafa ny baikon’ny tena fa hafa ny fanatanterahan’ireo mpandray baiko azy. Ireo tolotsaina nihaviany rahateo mampametra-panontaniana fandrao hoditr’akondro indray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.