Edito

Vain-drahalahy tsy marary


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Mbola miteraka adihevitra hatrany ny resaka fanatanterahana fisaonam-pirenena eto amintsika, indrindra fa taorian’ilay mpanakanto malaza iray,

 nefa tsy nisy tamin’ireo Malagasy an-jatony maty tamina loza mahatsiravina na koa ho an’ireo mpanakanto hafa na mpanao politika  nodimandry. Tsy mamoha fota-mandry sanatria fa toa tsikaritra ho tonga amin’ilay fomba fitenena hoe vain-drahalahy tsy mba maharary ny zava-misy. Sakamalaho sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy ny zava-bitan’ireny olona teto amin’ny firenena na ny fanandratana avo ny anaran’i Madagasikara na adidy niantsorohana teto amin’ny tanindrazana, saingy hita misy ihany ny fitanilana. Anisan’ireny ilay mpanao politika iray, izay vao nodimandry ny faran’ny herinandro teo saingy mba inona no mari-panajana nataon’ny fitondram-panjakana ho azy na dia filohana andrim-panjakana teto amin’ny firenena tao anatin’ny taona maro aza izy ? Ny Malagasy tsy miady amam-paty araka ny soatoavina hatramin’izay, saingy toa notazonin’ny mpitondra eto amin’ny firenena ho fahavalony hatrany noho ny tsy fitovian-kevitra politika ny olona sasany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT