Edito

Vahoaka Malagasy Efa tena noana sy reraka


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Efa tena noana ny vahoaka Malagasy ankehitriny, hoy Rabetsara Lita, filohan’ny fikambanana RNDC mpiaro ny zon’ny mpanjifa.

  Miseho amin’ny endriny maro izy io toy ny fisian’ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fifanajana eo amin’ny mpiara-belona, ny hasarotan’ny fiainana hateraky ny fiakaram-bidy eny an-tsena…Rariny raha natsangana etsy araben’ny fahaleovantena ny tsangambato mampiray ny faritra 22 satria ny fahavalon’ny mpanjaka voalohany dia ny mosary. Tena zava-dehibe loatra ny fisian’io tsangambato io, antoka iray hamelona ny maha Malagasy indray any am-pon’ny tsirairay. Amin’ny maha taranaka Mpanjaka Zafimananga Antaifasy azy  avy any Volompary Vangaindrano  no antony nanosika azy hanatrika sy hanatevin-daharana ny taom-baovao Malagasy sy ny fametrahana tsangam-bato tetsy Analakely izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Mikasika ny tolona tanterahin’ny RNDC manokana dia nambarany fa mitohy hatrany ny hetsika, indrindra ho fiarovana ireo vahoaka hiharan’ny tsindry hazolena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT