Misy mihitsy ve ny vondron’olona tena tsy faly amin’ ny hilaminan’ity Madagasikara ity ? Sa mety amin’ny olona sasany ve izao fiainana eto izao ? Fanontaniana tokony hoeritreretin’ny tsirairay ireo manoloana ny adihevitra sy fanehoan-kevitra re isan’andro etsy sy eroa. Rehefa hita fa mba miroso ve ilay
fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM dia foronina indray izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao ? Ekena mihitsy fa misy ny tsy fahatomombanana na ny lesoka satria mbola olombelona ihany no manao ny asa, fa na izany aza dia efa nisy ny dingana goavana vita ka ny fanohizana izany no hahatsapana any aoriana ny maha zava-dehibe io dinika io. Mampalahelo ny fampiasan’ny ankolafin-kery politika sasany ny serasera mba hanaratsiana endrika ity fampihavanana tarihan’ny FFKM ity, ka ireo olona sahirana indray no ampitenenina hoe : famonjena ny traboina izao no maika fa tsy izany fampihavanana izany… Fa rahoviana izany vao atao ilay fampihavanana , satria hisy foana ny sahirana, idonam-pahoriana, tsy manan-kialofana sy trano onenana, kere eto Madagasikara ? Hiandry ny tsirairay ho vonona sy mazoto ve vao hanao zavatra ? Ary ny tena mahatalanjona dia ireo olona maika nampandany ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010 ka nampiasana ny kara-pokontany nandehanana nifidy no be fanakianana ny fampihavanam-pirenena sy miseho manome lesona indray izao. Rahoviana vao handroso sy hilamina ity firenena ity raha tahaka izany foana ny fomba fisainana ? Fotoana hiovan’ny toe-tsaina izao, ho an’ny mpitondra, ny mpanao politika, ny mpandraharaha, ny olon-tsotra…famahana krizy no atao fa tsy fambolena krizy vaovao ka tsy aleo ve mba miaraka mikaroka ny vahaolana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.