Tena mampalaza izao vanim-potoana tetezamita izao ny fandrenesana fa misy mikotrika fanonganam-panjakana hono any ambadimbadika any, ka mpanao politika, mpandraharaha ary manamboninahitra no voatonotonona ho ao ambadik’izany.
Dia eo ihany koa ny hoe fifofoana ny ain’ny filohan’ny FAT miampy fanipazana grenady amina tranon’olona ambony. Tsy mbola nisy tanteraka aloha hatramin’izao izany rehetra izany, fa nijanona ho siosion-dresaka ny fanonganam-panjakana ary nitsefotra fa tsy nipoaka ireo baomba na grenady. Maro koa no resy lahatra fa tsy vahaolana ny herisetra sy fampiasan-kery, porofo mivaingana amin’izany izao fahasahiranana izao noho ny fanonganam-panjakana narahina herisetra sy asa fampihorohoroana nitranga tamin’ny 2009 ireny. Maro be ny fampanantenana teny an-kianja saingy tsy nisy tanteraka izany, vao maika aza nihalafo ny vidim-piainana. Fa momba ilay hoe fikasana hanongam-panjakana dia maresaka tokoa izy io ary maro ny filazana fa misy ny fivoriana etsy sy eroa ary toa hoe tena misy mihitsy ny vondron’olona mikasa ny hanao izany. Fa hatramin’izao aloha dia tsy mbola namoaka anarana ny manampahefana manadihady ity raharaha tena saropady ity, hany ka samy manombatombana fotsiny ny tsirairay.
Fa na izany aza dia azo itarafana ny tsy filaminana sy tsy fisian’ny fitoniana ny zavatra tahaka izao ary manamafy hatrany fa mitombo isa ireo tsy mankasitraka sy leon’izao fitondrana tetezamita anjakan’ny gaboraraka izao. Be marenina ny FAT ka mety ho izay angamba ny
Mavesatra sy mankadiry arak’izany ny andraikitr’ireo mpitondra sy mpanao politika satria tena miankina tanteraka amin’izy ireo ny handamina na hampikorotana ny firenena. Efa tsy fotoan’ny fifanandrinana intsony izao fa fotoan’ny tena fifamelana sy fihavanana, fa raha tsy tafavoaka amin’izao i Gasikara dia mety ho izay no izy satria miha mafy ny krizy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka ho arapaky ny ngeza fotsiny ireo firenena diso tratra aoriana loatra dia tsy hanan-tsafidy intsony fa ny hafa no hibaiko tanteraka azy. Tsy azo ialana ny fanatontoloana kanefa maro be ny fomba hahazoana tombotsoa aminy fa tsy hoe izay tenenin’ireo firenena matanjaka foana no tsy maintsy toavina sy arahana. Tsy maintsy misy ny vahaolana fa tsy voatery handalo amin’ny gidragidra kosa aloha e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.