Edito

Vahaolana ?


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010


Amin’izao hanombohan’ny fihaonambem-pirenena tsy mbola maharesy lahatra ny rehetra izao, dia maromaro ihany ireo zavatra tsy aritra tian-kambara, mba tsy hananan-dratsy any aoriana. Samy milaza ny rehetra fa ela loatra ny krizy ka tokony hovahana amin’izay, ka amin’ny alalan’ny fifampiresahana, lavitry ny herisetra no hanaovana azy, ka ezahana ny handraisan’ny maro an’isa anjara mavitrika amin’ny adihevitra rehetra. Voalaza ombieny fa maro ny zavatra tsy nety teto, maro ny tsy rariny nataon’ny mpitondra, hafahafa ny rafitry ny fanjakana, be loatra ny kolikoly nampahantra ny vahoaka madinika fa nahabotrabotra kosa ireo mpanao afera, sy mpanao politika ary manampahefana. Dia nambara avy eo fa misy krizy politika, hono, ka mila vahaolana politika, ary tsy maintsy misy ny fifamelana sy fampihavanana. Fifamelana eo amin’iza sy iza marina moa no tiana ambara eto ? Ny samy vahoaka ve, ny samy mpanao politika ve, sa eo amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika ?

Ity safidy farany ity angamba no mitombina indrindra, satria ny sangodim-panina politika noho ny fitiavan-tseza sy ny tetika hanangonan-karena nataon’ny mpanao politika no nampikorontana ny fiarahamonina malagasy hatramin’izay. Koa rariny loatra raha manaiky ny fahadisoany ireo mpanao politika ka mifona eo imason’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka. Dia raikitra fa dinam-piarahamonina vaovao mihitsy, hono, no tokony hapetraka eto, ka izany no mahatonga ity fivoriana etsy sy eroa ity. Ny mampanahy anefa dia mbola maro amin’ireo nanao ny tsy nety hatramin’izay, no mbola tafiditra ao anatin’ny efitrano fivoriana. Ka ahoana moa no hahazoana antoka fa hilamina ny fifampiresahana ary ny hevi-baovao avy amin’ny vahoaka marina no hivoaka avy eo ? Marihina fa hatramin’izay dia tsy noho ny lalàna mihitsy na ny rafitra, no tsy nampandroso an’i Madagasikara fa noho ny tsy fisian’ny fiaraha-mientana tsara teo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Manana ny eritreriny sy ny fandaharan’asany ny mpitondra, ary manana ny heviny izay matetika tsy asehony koa ny vahoaka. Ny Malagasy rahateo moa malaza ho mahalala fomba, sy olon’ny fo, koa mazàna manaiky tsy sazoka ny nofinofin’izay rehetra mahazo fitondrana.

Taona maromaro aty aoriana avy eo, rehefa notairin’ny mpanao politika te haka fitondrana, vao mihetsika indray ra Malagasy ka mandrodana fitondrana, dia tahaka izany hatrany no nitranga teto. Fetsy loatra ireo mpanao politika sy ny mpitondra, ary tsy mahalala afa tsy ny anio no sady tsy dia ampy fahalalana firy ny ankamaroan’ny Malagasy ka mora resena lahatra sy handetehana foto-kevitra vaovao, any anatin’ny atidohany. Dia vahaolana maimaika foana no hambaboan’ny mpanao politika ny fon-dRamalagasy, tahaka ny hoe hamboarina izatsy, hohatsaraina izaroa, hanafatra vary sy menaka mora, hofoanana ny dahalo, hatao mahay daholo ny mpianatra …, dia mihinana am-bolony ny rehetra. Ka mbola izany ihany ve no sanatria tian-kaverina eto ? Inona no mampirotoroto ? Sao dia mbola mila fifandresen-dahatra tsara, fa tsy maika hanao fifidianana. Hamaha ny olan’ny firenena sy ny vahoaka marina ve ireo dimy andro hivoriana eny Ivato ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT