Edito

Vahao ireo olana


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Anaty fahantrana lalina ankehitriny ny firenena. Tsy miafina intsony izany. Arakaraky ny fiovan’ny fotoana no mampitombo ihany koa ny olana sedrain’ny vahoaka malagasy sy ireo mpitondra azy eto amin’ity firenena ity.

Na inona na inona lazaina matoa ny olompirenena mifidy olona iray na maromaro hitondra azy dia ny hampandrosoan’ireo olona ireo ny tenany sy ny tokantranony mihitsy aloha no tena andrasany. Na any amin’ireo firenen-dehibe aza dia izany no izy. Olombelona tsy nahita fivoarana teo amin’ny fiainany manokana no niteny nivantana ny filoham-pirenena frantsay ankehitriny, Emmanuel Macron, hoe “Tsy mbola nahita filoham-pirenena vendrana noho ianao aho!”. Hatezerana noho ny tsy fahitany ny fiantraikan’ilay fitantanana tany anaty vilaniny na fanaovan-tsakafony no nahatonga izany. Gaga ianao anefa rehefa maheno fanehoan-kevitra manohana ny fitondrana ankehitriny izay milaza hoe ny an’ny mpanohitra dia ny ati-vilany foana no resahany satria izay no mba hitany fa tsy hitany ireo foto-drafitrasa be dia be mitsangana isam-paritra. Mampahatsiahy ny fanontanian’ny mpamakafaka iray izay tsy mpanohitra fitondrana akory hoe nitondra inona tamin’ny toekarem-pirenena ary izao ny fitsanganana kianja manara-penitra miisa 30 ? Isany mameno ireo fotodrafitrasa tsy mitondra famokarana eto amin’ity firenena ity na ilay antsoina hoe “infrastructure non productive” fotsiny izany ireny amin’izao fotoana izao. Ny olana eto amin’ity firenena ity, izay ny ankamaroan’ireo ivelan’ny fitondrana fa tsy voatery ny mpanohitra ihany no mahita azy izao, dia ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahampian-tsakafo, ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahamenatra ny maheno ho voasokajy ho isan’ireo firenena tsy manan-kohanina ankehitriny ny firenena misy ny tena, ny vidim-piainana miakatra, ny fahefa-mividin’ny ankamaroan’ny olompirenena miha mihena hatrany. “Ny vola miditra mihena, ny fandaniana mitombo na dia efa ezahana ahena aza!”. Firy isan-jaton’ny malagasy moa sisa izao no mbola mba tsy miaina izany toe-javatra izany ? Vahao ireo olana! Ireo tena olana!
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT