May volon-tratra indray angamba ny filohan’ny FAT ka namoaka «ultimatum» ho an’ireo mpanao politika izay mivory efa ho herinandro izao amin’ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy. Tena tsotra ny fahitana ny toe-draharaha : manomboka tsy ankasitrahan’ny olona intsony ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana noho ny firongatan’ny halatra, kolikoly, fanamparam-pahefana, tsy fanajana ny zon’olombelona ary fankahalana be fahatany ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Eo koa ny tsy fahitana vahaolana matotra sy maharitra amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Koa nipoitra nandritra ny Dinika Santatra ireo fanakianana mavaivay ho an’ny FAT. Etsy ankilan’izay dia niova kely fa tsy tahaka ny tany am-piandohana ny fomba fiasan’ny fiarahamonim-pirenena, ka tsy hita taratra intsony ny fiandaniana be loatra tamin’ny FAT ; ireo mpanao politika izay nifampitaona koa moa dia tsy hoe mitovy hevitra tanteraka amin’i Andry Rajoelina, ary ny tena marina aza dia mamofompofona Maputo sy Addis Abeba ary Pretoria ny antontan-kevitra ho famahana ny krizy mety havoakan’izy ireo. Anisan’izany ny fanovana endrika ny fitondrana tetezamita. Dia hoy ny mpanara-baovao hoe, izay marina angamba ilay hoe ny marina tsy mba maty, ary tsy maintsy mipoitra ihany any amin’ny farany. Efa ho roa taona izao no niziriziry i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, fa mety ny ataony, ary efa tsy tokony hovaina intsony fa mahavita azy ny fitondrana tetezamita. Farany teo moa tany Mahajanga dia mbola nanamafy izy fa tsy momba ny atsy na ny aroa, hono, ny tetezamita tarihany ary malalaka sy mahaleotena tsara mihitsy amin’ny asa fanelanelanana ataony ny Raiamandreny Mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena. Nohamafisin’i Andry Rajoelina ihany koa fa vitan’ny Malagasy ny mitady ny vahaolana fa tsy mila vahiny izany. Mahagaga ihany anefa ny fampitandremana natao an’ireo mpanao politika rehefa mba mikaroka vahaolana izy ireo.
Tsara homarihana anefa fa ahitana ny firehana rehetra ao anatin’ilay «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika», eny fa hatramin’ny TGV aza. Ka lasa ny saina hoe : inona ihany ary no tena tadiavin’i Andry Rajoelina ? Manelanelana ny vahiny hiavonavonana, mirotsaka an-tsehatra ny Malagasy ampitahorina. Raha atao ny fandravonana ny zava-nisy rehetra hatrizay dia hita taratra fa tsy te hizara fahefana mihitsy i Andry Rajoelina, ary tsy hanaiky ny vahaolana eken’ny maro an’isa fa dia hidongy hitantana samirery ny tetezamita. Mbola miverina foana ilay mandroso mihemotra, nampalaza ity filohan’ny FAT ity. Misy zavatra iray ekeny androany, dia laviny an-kitsirano indray iny rahampitso. Efa iaraha-mahalala anefa fa tsy maintsy vahaolana politika, avy amin’ny fivondronamben’ny mpanao politika no hivoahana amin’ny krizy. Toa mibaribary indray ankehitriny fa tena izay mahametimety azy sy ny akamany ihany no eken’i Andry Rajoelina, fa raha vao mibolila na miala kely amin’izay dia mivoaka ny «ultimatum». Sanatria ho avy indray ve ny fisamborana mpanao politika, dia holazaina fa nanembantsembana ny asan’ny tetezamita izy ireo ? Na hilatsaka ny sazy henjana ho an’ireo mpanao politika manan-draharaha amin’ny fitsarana, ato ho ato ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.