Edito

Tsy vonon-kiova


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Izahay izao no eto, hoy ilay tompon’andraiki-panjakana iray izay nialoha kelin’ny niandohan’izao fipariahana valanaretina eto Madagasikara izao. Toa

voambolana efa heno fahagola izany saingy ny fomba nanononana sy nandrafetana azy fotsiny angamba no misy maha samihafa kely. Tsy mba misy tantara mety mitohy mihitsy eto amin’ity firenena ity fa fiverenana tantara mampahantra hatrany no hita sy iainana hatramin’izao. Iny izao dia nisy vakoka may indray teto amin’ny tany sy ny firenena. Nisy mpanao politika malaza nosamborina koa nifanindran-dalana tamin’izay. Inona moa no tena maha samihafa be iny nitranga tamin’ny 15 jolay 2020 iny sy ny 6 novambra 1995 izay nahamay ny rovan’Antananarivo? Hita ho tsy vonon-kiova mihitsy izany isika na eo amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina na eo amin’ny fanaovana politika. Tamin’ny andron’ny Ntaolo no nihatra sy tena rehareha izany soatoavina antsoina hoe Fihavanana izany saingy ankehitriny kosa dia efa naman’ny vakoka fehy vakoka ara-kolontsaina sisa. Tononina isan’andro saingy na ny dikany sy ny nahatonga ny fiantsoana azy ho izay aza angamba azo isaina ireo tena mahalala ny fotony. Efa lasa ny valifaty politika isak’izay mahazo fitondrana sy fahefana izany izao no lamaody. Vao nanomboka anefa ny hahamehana ara-pahasalamana dia tsy nisy izay tsy niantsoantso ny amin’ny tokony hampitsaharana izany adilahy politika izany na olon-tsotra na mpanohitra, eny, hatramin’ny mpitondra aloha fa mba hifantoka amin’izay handresena haingana ity valanaretina miparitaka ity. Firifiry anefa, tao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana izao fotsiny, ireo olona politika sy olona nenjehina noho ny antony politika nadoboka am-ponja? Fitondran’iza no tena tompondakan’izany fanenjehana izay tsy mitovy fijery politika aminy izany nanomboka ny tetezamita 2009 no ho nankaty? Hampandroso ilay firenena tokoa ve no tanjona sa hifanenjika eto amin’ny firenena?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT