Edito

Tsy vonon-kihavana !


  • Alarobia 31 Mey 2017

Samy mivoy ny resaka fampihavam-pirenena ny ankamaroan’ny hery politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Hatramin’ireo hery politika matanjaka sy manohitra ny fitondrana, toy ny antoko Tiako i Madagasikara aza dia mivoy an’izany satria izay no hany tokana hivoahana amin’ny krizy.

Mbola nanamafy ny antoko Arema sy ny maro hafa. Ny hita anefa dia tsy vonon-kihavana mihitsy ny fanjakana HVM, kanefa ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no nilaza tany am-piandohana fa handray an-tanana ny fampihavanam-pirenena. Mandra-pahoviana no hanidy trano samirery ao sy hihevi-tena ho mafy sy matanjaka ? Ekena fa misy ny mandray an-tendrony ny fampihavanam-pirenena ho fitadiavan-tseza saingy ny mila mifanaraka tsara ny rehetra amin’ny fampihavanana tokony hapetraka. Tsy mitondra mankaiza ny fanidiana trano sy ny tsy firaharahaina ny hevitry ny hafa, ary maro no nilaza ho mafy sy matanjaka teto amin’ny firenena saingy misy fetrany ny zava-drehetra. Dia tena tsy vonon-kihavana tsotr’izao mihitsy ve ka ny hambom-po diso toerana no mibaiko amin’ny fitantanana ny firenena, izay efa tena latsaka any anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT