Tsy voafehy intsony!

Iaraha-mahita sy iaraha-miaina ankehitriny fa anatina toe-draharaha tsy voafehy intsony ny firenena!


  • Zoma 06 Desambra 2024

Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady

mpahaifiarahamonina, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama Mahaleo, fa manohitra an’ireo natao hamelona ny vahoaka malagasy maro an’isa nefa tsy mety manao an’izay. Tsy rariny izany, hoy ity mpandinika fiarahamonina ity. Ekena tokoa fa tsy rariny saingy atao ahoana moa fa ny rano raraka tsy azo raofina intsony, hoy ny fahendren’ny Ntaolo malagasy izay! Efa nidirana iny ny fangatahana trosabe amina miliara Dolara izay tsiahivina hatrany hoe nahatratra hatrany amin’ny 293,5 miliara Ariary tany ho any ny totaliny rehefa nokajian’ireo manam-pahaizana amin’ny vola malagasy. Tokantrano mbola mandeha ve hidi-trosa moa, hoy ny fanontaniana napetraky ny mpahaifiarahamonina hafa, Gérard Ramamimampionona, izay? Asa na azo ambara hoe soa ihany fa mbola mba tsy tapitra ity propagandy ity dia mba misy vaza-mihetsika kely mandalo azon’ny valalabemandry isitrahana amin’ny resaka T Shirt sy koveta ary sio aloha. Irariana mba hitohy kosa ireo azo antsoina hoe «asa maharitra» ao anatin’izany fa efa miverina mahatsiravina be sahady indray aloha io ny delestazy.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT