Tsy vitan’ny revin-gadra ny ady

amin’ny fahantrana!


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Tsy misy Firenena mandroso fahatany na aiza na aiza aleha eto ambonin’ny tany, fa mitaky ezaka,

mitaky finiavana, mila fahaiza-mitantana, mila fahaiza-miombona, mila fanabeazana,… Tsy vitan’ny eritreritra na hevitra manidintsidina na nofinofy fa tena mitaky fahaiza-mijery sy mandalina izay tena mahasoa ny vahoaka sy ny firenena, ary mila paikady mahomby sy tsara rafitra hoenti-manatanteraka izany. Mora ohatra no miteny hoe : « calme fa tsy hataoko mahantra intsony ianareo » araka ny filazan’ilay mpitondra farantampony iray fa moa manana fanantenana ny amin’izany ve ny Malagasy ? Moa vitan’ny kabary politika mampandrevorevo tahaka izany ve ny ady amin’ny fahantrana sy fampandrosoana firenena ? Matoa ny olona mandroso, matoa ny olona mivoatra,… dia isan’ny zava-dehibe indrindra ny fitiavan-tanindrazana, ny fanomezana tombondahiny ny vahoaka, ny fahaiza-mandalanjalanja izay mahasoa ny maro an’isa,… Indrisy anefa fa mampanongo tena ny maheno sy mahita mpandraharaha Malagasy vaky vava miteny hoe : « izaho aho vao tonga saina hoe nahoana ny manam-pahaizana Malagasy no tsy te hijanona sy hiasa any ivelany, satria na eto an-tanindrazany aza mahatsiaro ho tsy misy mpiahy ». Moa tsy efa betsaka ny endrika maneho eto fa lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy eto an-tanindrazany ? Moa tsy ny mpitondra Fanjakana no mihazakazaka mivarotra tanindrazana amin’ny vahiny toy ny ahiahy goavana any Antsiranana sy Nosy Be ankehitriny manoloana ny resaka miely henon’ny vahoaka fa handefasana miaramila hanongotra amin’ny taniny ? Inona intsony moa no mba tena fiahiana ny Malagasy eto ? Ny kitositosika isaky ny akaiky propagandy ve ? Ny fananany robain’ny dahalo, ny taniny robain’ny mpanam-bola, ny rano sy jiro tsizarizary, ny asa tsy misy, ny vidim-piainana midangana,… Dia izao ve no antsoina hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso sy tsy hatao mahantra intsony ny Malagasy ? Efa ela izay resaka manidintsidina nafafy izay ka anjaran’ny rehetra no tonga saina hoe : mbola hino sy hanantena an’izany sa handray andraikitra hanatsimbadika ny pejy amin’izay ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT