Efa tena malaza amin’ny fivadibadihan-dela ireo mpitondra amin’izao fotoana, tao anatin’ny minisitra vitsy no nilaza zavatra mifangarika na mifanohitra tanteraka ny filohan’ny repoblika tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Ivato taorian’ ny diany tany ivelany.Nambarany fa ho raisiny an-tanana ny fitarihana ny fmpihavanam-pirenena, tokony handravona heviny ireo fikambanana mampihavana etsy sy eroa ;
avy eo anefa masiaka fomba firesaka izy moba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary tahaka ny nilaz an-kolaka mihitsy aza fa tsy maha maika azy mihitsy ny fampodiana reo sesitany politika.Iany ve no filoha, ray mandrenin’ny Malagasy rehetra ? Moa va tsy tokony hahay hiresaka amin’ny vahoakany rehetra tsy an-kanavaka izay filoham-pirenena izany , ary mahay manambara ny fehezanteny tena mampihavana marina ? Mahatalanjona fa toa tena ny mifanohitra amin’izany no ataon’ingahy filoha ankehitriny fa tahaka ny efa mametraka rindrina manasaraka ireo tokony hampihavanana sahady izy.Inona no fampihavanana azo antenaina avy amin’ny fanilihana ?Iza no olona hihavana ao anatin’ny tsy fifampatokisana sy ny fanaovana kibay an-kelika ?Ekena mihitsy fa tsy maintsy misy ny fandminana, fa raha ela loara kosa dia mba mampieritreritra ihany e . Fa hiandry rahoviana vao atomboka ilay fampihavanana tena izy, sa ve mbola hitsapa hery mandrira ny fifidianana kaominaly izay tsy fantatra mazava hoe ho tanterahana rahoviana ny filoha sy ny antokoy, izay vao hampihavana. Efa tena mitombo isa isan’andro ny olona diso fanantenana amin’izao fitondrana izao, mitombo isa ireo sosotra , mitombo isa ireo tezitra, mitombo isa ireo vinitra . Ka asa hoe miandry inona vao hahatsapa izany sy hanova ny fomba famindrany ingahy filoha.Fa raha izao aloha no mitohy dia … asa fotsiny izay hitranga eto tsy aoriana kely atsy e.Tsy adala daholo akory ny olona eto ka ho fitahana amin’ny fanova-maso maivana ; mahita ny olona ,mandre, mamakafaka, mandinika ary manapa-kevitra avy eo.7 volana izay no dila fa tsy hita ihany izay tena marina amin’ilay fitondrana, andrakandrana no tsapa fa ataon’ireo mpitondra isan’andro , mahamenatra ny tsy fifehezan’ny fiadidian’ny repoblika ny serasera .Toa ny any amin’ny faratampony mihitsy no manondrana.Tsy vitan’ny kabary fotsiny anie ny mampandroso an’ity Madagasikara ity e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.