Tsy vitan-kabary sy serasera ny fitantanana!

Tsy vitan’ny serasera sy fitanisana vina ny fitantanana Firenena.


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Anio mety mahomby ny fandraviravizana vina mipoapoaka, fampanantenana famirapiratana,…

fa tsarain’ny karatra eny ihany rehefa mandeha ny fotoana fa hay paikady nentina nahazoana fahafena fotsiny ireo zavatra nipoapoaka nanjonoana vahoaka. Mandrak’ity ny androany mbola fandrendrehana saim-bahoaka no mandeha raha tarafina amin’ireo serasera samihafa any ivelany. Tahaka ny potserina ny pokotra dia mivoaka ny famatsiam-bolan’ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka mahatoky. Dia tena azo inoana ve ny hoe : ny « autoroute » mbola tsy mazava akory ny làlan-kizorany dia hipotsaka ny vola ? Dia mieritreritra ve ny Fitondrana fa anio no manasonia dia milamina ny zavatra rehetra afaka herinandro na tapa-bolana eny fa na herintaona aza ? Ny politika mivoaka miditra moa dia ireny niaraha-naheno ireny toy ny filazana fa antenimierandoholona mandany vola, ny kabary politika hoe : hazavana sa sénat,… Nahena ny isany fa nanao ahoana ny hazavana ? Moa tsy ireo indray aza no mangataka tetibola manokana ? Asa na minia mikipy fa na ireo zavatra goavana natao fototra niorenan’ny propagandy sy ireo zavatra goavana niainga tamin’ny aingam-panahy manidintsidina aza mbola betsaka ireo nitsefotra 6 taona aty aoriana. Mby aiza izao ny orinasa fanamboarana Ethanol, Tanamasoandro, statut goavana eny amin’ny Tanamasoandro, Autoroute makany Imeritsiatosika, Fly Over, orinasa Gascar, Pharmalagasy, bus 1000, Gymnase mahazaka olona 8000, angovo 400MW, ny éolienne efa hatramin’ny tetezamita,… Ny resaka teleferika moa tsotsofina ary mampanahy ny tsy hiodinany maharitra, ny train urbain efa nanaovana andrana maromaro fa hatreto tsy tena nandeha,… Endrika maneho ireny fa tsy vitan-tserasera ny fitantanana Firenena ka tanisaina daholo izao sy izao fa tsy hita izay vokatra. Ny resaka fiainam-bahoaka, ny fampivoarana ara-toekerana, ny haitarika makany amin’ny fivoaran’ny daholobe,… moa toa mbola mahakely finoana. Tsy tena misy ny fankasitrahana sy fanehoan’ny vahoaka ny fanohanana na « adhésion populaire » fa dia mitomany ho mamim-bahoaka sy manandran-tena eny ny mpitondra ambony, ary indraindray aza ataon’ny olona fihomehezana. Asa mba mandinin-tena amin’ireny ve sa dia mitoetra hatrany ilay hoe : ny mpanenjika tozoro afara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT