Edito

Tsy very fa maka toerana ?


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Hisokatra ho an'ny daholobe manomboka amin'ity anio ity ny Rovan'i Manjakamiadana.

 Azo atao indray izany ny mitsidika ity toerana manan-tantara, efa voasokajy ho vakoka iraisam-pirenena ity, rehefa avy nikatona nandritra ny 17 taona izy. Taorian'ny nahamay azy tamin'ny 06 novambra 1995, dia ny taona 2004 vao nanomboka ny fanamboarana ny Rova, ka efa vita ny ampahany betsaka amin'izao fotoana. Nisy ihany ireo entana avotra ka tsy may, saingy efa tena vitsy dia vitsy izy ireo, raha oharina amin'ny zava-nisy tao Anatirova tany aloha. Ny mampalahelo dia ny kely ananana indray no mbola nangalarin'ny sasany. Tsy mbola hita tokoa hatramin'izao ilay satroboninahitry ny mpanjaka, nisy naka mangiangina tao Andafiavaratra ny sabotsy 3 desambra 2011. Ilay dika mitovy aminy no aranty sy aseho ny mpitsidika ao an-dapa, manomboka amin'ity anio ity. Asa na mba niezaka nitady ihany fa tsy nahavita firy ny mpitandro ny filaminana na tena tsy nikaroka mihitsy ity satroboninahitra ity ! Ilay fanomezana volabe ho valisoa ho an'izay mahita azy koa, toa tsy nahitam-bokatra, fa dia very izany ilay satroboninahitra e ! Takon'ny datim-pifidianana sy ny fodian'i Marc Ravalomanana ary ny raharaha Remenabila koa moa ny zava-misy rehetra eto amintsika tato anatin'ny volana maromaro izay, hany ka toa adino ity fahaverezan'ny satroboninahitra ity. Ary nikatona tanteraka mihitsy ny adihevitra momba an'ilay izy, tahaka ny hoe : fa inona moa izany ny antony manosika ny olona iray, na vondron'olona, na fikambanan-jiolahy hangalatra an'iny satroboninahitra iny ? Handrendrika azy ka haka ny volamena ve sa tena misy tanjona manokana hafa mihitsy, araka ny resabe mandeha etsy sy eroa ? Raha resa-bola sy volamena ary vatosoa aloha, toa ny tsy mampino ihany, satria toerana maro eto Madagasikara no azo itrandrahana izany ary gaboraraka be mihitsy ilay izy, ato anatin'izao tetezamita izao ka afaka tena manaram-po, izay te hanao izany.

Ny nahagaga koa dia marobe ny zavatra vita amin'ny volamena sy ny volafotsy niaraka tamin'ilay satroboninahitra, fa dia ilay satroboninahitra ihany no nisy naka ! Izany rehetra izany, no mahatonga ny olona sasany hieritreritra fa mety misy ifandraisany amin'ny fombafomba fanao eto afovoan-tany, nahafantarana ny mpanjaka sy ny taranany ary ireo fianakavian'Andriana, tena mbola mitana ny fomban-drazana ny fahaverezan'iny satroboninahitra iny. Ary samy mahalala ny rehetra fa tsy mpivarokena, na saoferana taksibe, na mpampianatra eny amin'ny Ceg, na vatamiaramila, na olom-pirenena sahirana ka maika hahita vola, no naka ilay satroboninahitra fa olona mahalala tsara io resaka fombafomba io, ary mino fa misy hasina sy manana hery miafina iny satroka iny, hoy ny be vazivazy izay hoe : tsy very fa maka toerana angamba ilay satroboninahitry ny mpanjakavavy.

Manahirana ity resaka ity, kanefa tsy maintsy noresahana ihany satria tena misy vondron'olona miketrika zavatra hafa mihitsy eto amin'ity Madagasikara ity, ka mody hadalaina amin'izao sinema sy karazan-javatra rehetra izao ny Malagasy. Ny tena mahatalanjona dia nangina tanteraka ny mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana momba ity raharaha ity, ary ny mpitondra rahateo moa, tsy hay intsony na tena sahirana amin'ny resaka politika, na mody fanina ! Any andro, any volana, any taona anefa....tsy maintsy ho fantatra ihany ny tena marina amin'ity satroboninahitra very ity koa dia hihanjahanja eo daholo izay mpiray tsikombakomba tamin'ilay hetsika !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT