Hanara-dia an’ireo mpitondra Arabo nirodana tamin’ity taona ity ihany koa ny kolonely Kadhafi nitantana an’i Libia nanditra ny 42 taona.
Sarotra ho azy mantsy ny ho tafajanona eo amin’ny fitondrana noho ny herin’ny fanoherana azy sy ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny CNT na Filankevim-pirenena momba ny tetezamita any Libia. Tsy ady ambony latabatra fotsiny no handrodanana an’i Kadhafi fa ady mivantana amin’ny basy aman-tafondro mihitsy. Ny OTAN mandaroka baomba ireo toerana hieren’ny miaramila mbola manohana ny fitondrana, ary ireo mpanohitra kosa manafika an-tanety. Ny Frantsay sy ny Anglisy no mamatsy fitaovam-piadiana azy ireo efa ho efa-bolana teo ho eo izay, ary efa vita drafitra tsara daholo ny zavatra atao ary tsy maintsy mirodana ny fitondran’ny kolonely. Isan’ireo filoham-pirenena voalohany nidodododoan’i Andry Rajoelina ny kolonely Kadhafi raha vao tontosa ny fanonganam-panjakana teto. Tsy nahenoan-teny mikasika ity raharaha tany Libia ity anefa ny FAT tao anatin’izay volana maromaro nisin’ny savorovoro tany izay. Tafiditra ao anatin’ny fiovana goavana any amin’ny firenena Arabo izao mitranga any Libia izao, satria taorian’i Tonizia sy Ejipta dia nahazo ny anjarany koa ny mpitondra tsy refesi-mandidy tao amin’ity firenena ity. Tsy vao izao no nifanolana tamin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo firenena tandrefana matanjaka ny kolonely Kadhafi fa efa hatrany amin’ny nandrombahany ny fahefana tamin’ny 1976. Nanongam-panjakana mantsy izy, ary nanaraka ny foto-kevitry ny tatsinanana dia ny sosialisma izany, ka tsy nahagaga raha nifandona tamin’ny Amerikanina.
Malaza ratsy ho mpampiantrano mpampihorohoro sy mpanapoaka baomba i Libia ary maro ireo asa fampihorohoroana
Tsy tongatonga ho azy ny ady tany
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.