Edito

Tsy toa teny, very ny fahatokisana


  • Zoma 10 Jolay 2020

Tena ilaina amin’ny fitondrana ny firenena, amin’ny fifampitondrana ao anaty fiarahamonina, amin’ny fitantanana orinasa,…

 

 

 

 ny haitarika na ny “leadership”. Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha, hoy rahateo, ny fomba fitenintsika Malagasy. Miankina amin’io haitarika io noho izany no hahafahana manatratra tanjona iray ao anatin’ny ankohonana, fiarahamonina, firenena,… Miainga avy any ambony ny ohatra, ka rehefa ny lohany no matsatso, dia mety tsy handeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena. Mila olona to teny, mitazona ny teny nomeny fa tsy hafa no ambara anio ary mivadika ho hafa rahampitso. Mila mahalala tsara ireo vahoaka entina sy ny zavatra ilainy sy tadiaviny satria eo no isan’ny lesoka goavana eto amin’ny firenena. Ny zavatra hita sy tsapa eto mantsy, dia toa fanatanterahana ny nofinofy sy rendrarendran’ny mpitondra indraindray no ambara fa fampandrosoana. Ao anatin’ny ady mafy lalovan’ny firenena no toa mbola hitadiavana hirika hanaovana fandokafan-tena hoenti-manakona ny tsy fahombiazana. Ny ady hatrehina tsy vita sy tsy voafehy, kanefa mipoitra eny antsefantsefany eny karazana laharampahamehana hafa tsy misy fiantraikany amin’ny besinimaro. Maro ny serasera sy fihetsika toa tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Sesilany ny toe-javatra manome endrika ratsy ny fanjakana tsy voasoroka, ka rehefa miseho vao manao izay fomba rehetra hanadiovan-tena sy hamonoana afo. Mila fantarina tsara ny olana miseho eto, izay tsy ny valanaretina fotsiny fa misy ny fahoriam-bahoaka, ny fahantrana, ny alahelo,… ka raha tena hita sy hitondrana vahaolana ireny mahatoky ho azy ny mpitondra ny olona, manaiky sy manohana ho azy. Tsy ny famokisana resaka sy fampanatenana habosesika lava no hampisokatra ny fon’ny vahoaka ka hanekeny sy hanohanany ny mpitondra fa ny fahatsapany hoe: tena mitsinjo, mamaha ny olany, mijery ny fahoriany ny fanjakana, fa tsy mampanonofy azy lava eo fotsiny. Manaraka ho azy tsy mila famoretana, ary manampy aza ireo, raha tena tsapany fa mahitsy sy madio fo aminy mpitondra.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT