Edito

Tsy tetezamitatra fa…


  • Alatsinainy 09 Janoary 2017

Hiitatra daholo ! Izay no fikasan’ny avy ao anivon’ny fitondram-panjakana mikasika ireo raharaha rehetra heverina fa mitana ny hoavin’ity firenena ity sy ny fitohizan’ain’ireo mpiara-belona heverina fa nahitan’ireo tanora ankehitriny masoandro.


 Tsy misy tsy mahalala amin’izao fotoana fa miitatra amin’ny taona 2019 ny fifidianana ny filoham-pirenena handimby ny fitantanana indray izao vahoaka tsy mandady harona sy efa fadiranovan’ny fahantrana izao. Toy izany koa ny salan-taom-pahazoana misotro ronono eny anivon’ireo orinasam-panjakana satria dia lasa 65 taona vao voalaza fa afaka misitraka izany. Mbola mafana moa ny adihevitra na eny anivon’ny fiarahamonina na eny anivon’ireo haino aman-jery mikasika an’io fanapahan-kevitra io. Anisan’ny tsikera voalaza ny hoe malaina ny handoa vola ho an’ireny efa voky taona ireny ny fitondrana rehefa misotro ronono izy ireo. Mety malaina ny handray ireo tanora vao misondrotra sy avara-pianarana vaovao ihany koa satria tsy haharaka ny karama takian’ny tinadin’ny fisondrotry ny vidim-piainana iainan’ireo tanora ankehitriny ny tetibolam-panjakana ka dia aleon’ny fitondrana mampiakatra ireo ela nietezana satria tsy mandany vola. Fihetsika te hanitatra fitondrana no hita ataon’ireo mpitondra antsika ankehitriny. Saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe tsy tetezamitatra fa inona ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT