Edito

Tsy tena izy ?


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Kivadivady, kivarivary, kiantranoantrano, sy ny hafa koa dia samy hamaritana zava-mitranga na iniana hatranga ao anatin’ny fiarahamonina Malagasy avokoa raha toa ka vazivaziana na tsy raisina am-pahamatorana.


 Rehefa dinihina ny tetiharan-tantaran’io matoamboabolana “Ki” io sy ny voambolana miaraka aminy izay haverin-droa hatrany dia azo fehezina amin’ny hoe hilazana tranga tsy tena izy fa kilalao. Raha mijery ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena ankehitriny ihany koa dia mahakivy ny mahita sy mahare izay tsy famatorana miseholany eo amin’ny mpanao politika sy mpitondra ary isika vahoaka izay. Miha mitotongana ny fitantanan-draharaham-panjakana saingy toa tsy maharototra antsika. Nandeha ny tolona isan-karazany sy famoriam-bahoaka tetsy sy teroa izay tsy tonga tamin’izay tena tanjony akory saingy toa ilay mihogahoga fotsiny angamba no nahafinaritra ary rehefa hampiononina hoe vita ny tolona dia samy manaiky avokoa fa hoe vahoaka madinika, hono ary tsy miditra amin’ny raharaha politika. Etsy an-kilany indray ireo mpanao politika dia manao fanambarana daholo izay te hanao fanambarana hoe hilatsaka ho filoham-pirenena. Tonga anefa ity ny fotoana tokony hanaterana antontan-taratasy dia samy mihazohazo daholo ary ny sasany aza moa efa niverina tamin’ny teny nomeny sahady. Mitotongana ny fanabeazana saingy tsy maha rototra ihany koa na dia mandeha aza ny feo hoe tsy hisy mpanabe handray anjara amin’ny fitsarana ireo fanadinana fa olona tsy natao hiandraikitra izany avokoa no hasaina misahana azy. Kifitondranafitondrana, kifampianaranafampianarana ary kifanabeazanafanabeazana koa ve izany no misy eto fa tsy misy tena izy na iray aza ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT