Tsy taraiky rehefa rendrarendra!

Rehareha ho an’ny firenena iraimanontolo izany hoe


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

ekipam-pirenena amina fanatanjahantena na sehatra iray izany no tafakatra

hanao famaranana amina fifaninanana goavana. Na tsy ekipa aza fa olon-tokana no mahavita ezaka goavana manandratra ny voninahitr’ity firenena ity dia heverina fa tokony ho reharehan’ny firenena hatrany izany. Tsy baolina kitra ihany io fa na tsipy kanetibe na basikety na lalaon-tsaina na vokam-pikarohana na inona na inona mampahafantatra ny fisian’izany Madagasikara izany eo amin’ny sehatra iraisampirenena na izao tontolo izao mihitsy dia heverina fa tokony ho raharaham-pirenena tokoa izany. Ekena ihany koa fa laharam-pahamehana izany. Ao anatin’izay antsoina hoe laharam-pahamehana izay nefa, manoloana izao fahantram-bahoaka sy fahasahiranana ara-toekarena sy sosialy mianjady amin’ny maro an’isa eto amin’ny firenena izao, dia tsy azo ihodivirana ny fisian’ny antsoina hoe «ambonin’ny laharam-pahamehana» na «priorité des priorités», hoy ny frantsay. Tsy rendrarendra io. Mihantra aman’ain’ireo vahoaka io raha sanatria tsy tomombana. Hanalefaka ny fidiran’ny mpianatra tokoa, indrindra, ny famitàn’ny zaza malagasy ny fianarany ve ny hetsika mikasika ny fampitaovana ireo mpianatra hoe karakarain’ny filoham-pirenena mivady? Sao dia mba maika sady tsy maninona na ampiarahan-dalana amin’izany ihany aza ny fampiroboroboana ny fampananan’asa ho an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, indrindra, ireo tanora an-dalana ho lasa amin’izany toerana maha ray aman-dreny izany? Mahafinaritra ny fikarakaràna zotra ana habakabaka hitondràna mpanohana ireo mahery fon’ny firenena ao amin’ny Barea saingy raha mahita ilay vola atsasaky ny saran’ny sidina ihany ho ana olona anarivony. Inona aloha no tsy hamahàna ity olan’ny herinaratra eto amin’ity firenena ity, fara faharatsiny, rehefa mbola tsy azo antenaina ihany ny hivahàn’ny olan’ny angovo manontolo? Inona no tsy hanaovana laharam-pahamehana ny fanondrotana ny karaman’ny mpiasa malagasy ho 10 Dolara tokoa, isan’andro, isam-batan’olona, indrindra ao anatin’izao fotoana hitantanan’i Madagasikara ny SADC izao? Heverina fa santionana sosokevitra ihany izany saingy isika moa dia efa 16 taona izao no lasa iaraha-mahalala fa tsy taraiky rehefa resaka rendrarendra saingy mihenahena kosa rehefa resaka mahasoa an’ity firenena ity sy ny vahoaka malagasy ao aminy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT