Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika amin'izao fotoana izao. Sambany angamba ny Malagasy, indrindra ny eto an-Renivohitra no norarana tsy hivoaka ny trano, kanefa tsy tany miady na misy krizy ara-politika goavana. Azo hitarafana ny fahazakantsika sedra sy handanjana ny fahefam-panjakana io hoe: hatraiza ny fankatoavan'ny olona manam-pahefana?
Toa samy nanao izay saim-patany teny ihany ny olona tany am-boalohany. Nandeha ny endrika fanararaotana tamin'ny endriny maro. Tsy manaja lamina, tsy manaja toromariky ny fanjakana, tsy manaja fitsipika,... eny fa na ny fiarovana ny ainy aza no tena hifehezana ny vahoaka. Eo no ilàna mpitondra sy manam-pahefana to teny amin'ny vahoaka. Toa andrasana tahaka ny omby sanatrian'ny vava vao hanaja ny lalàna amam-pitsipika napetraka eto amin'ny tany sy ny fanjakana. Ny ady amin'ny coronavirus mety ho tapitra ihany na ho ela na ho haingana. Ny fiovantsika ara-toetsaina kosa toa mbola ho lavitry ny kitay ny afo: mifanararaotra amin'ny sarotra, samy manao izay revireviny sy metimety aminy,... Efa tena mihenjana ny fitondram-panjakana vao samy mifitsaka, ary mbola misy aza no mahavita mibiririoka. Mila mandinika ihany koa anefa ireo tompom-pahefana hoe: nahoana izy no tsy to teny amin'ny vahoaka? Tena mandeha amin'ny fahintsiana ka mipetraka ho fitaratry ny maro ve? Na ny mpitondra na ny entina, dia samy mila mandinin-tena satria samy sakana ho an'ity firenena ity. Tsy fotoanan'ny fifanomezan-tsiny anefa izao fotoan-tsarotra izao, fa ny zava-dehibe dia ny hoe: andao hiara-hisalahy handresy ity fahavalo iraisana ity aloha. Ny sisa manaraka ihany avy eo!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.