Edito

Tsy tafita ny baolina


  • Alakamisy 22 Aprily 2010


Mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa hananganana rafitra vaovao ho an’ny tetezamita ny fihaonana amin’ny 28 aprily any Afrika Atsimo, ka tetezamita mety tsy misy an’i Andry Rajoelina intsony no mijoro aorian’io fihaonana io. Tsy midika anefa izany rehetra izany fa hanjaka ao ny ankolafy telo hafa. Efa nisy ny paik’ady vaovao nomanin’ny Frantsay, vantany vao tsikaritr’izy ireo fa mety tsy hahatafita ny baolina hatramin’ny farany ny HAT. Hita mantsy fa mitarazoka be ny fikarakarana ny fifidianana nampiandraiketana an’i Andry Rajoelina, ary toa vao mainka aza mahazo rariny eto an-toerana sy any ivelany indray ireo ankolafy telo na dia eo aza ny fiezahana hamotika ny tolon’izy ireo. Sarotra ho an’i Andry Rajoelina koa anefa, ny tonga dia hametra-pialana tampotampoka eo, ary mety izy indray no hosamborin’ireo nanara-dia azy eny an-dapa na any an-tranony, raha manambara izany. Mandeha be anefa ny resaka tato ho ato izay fa misy mandresy lahatra ny filohan’ny HAT mba hametra-pialana amin’izay fa efa vita ny anjara asany, tsy tena hoe mandà na mitsipaka izany, araka ny tsiliantsofia re ihany i Andry Rajoelina saingy mitaky fepetra maromaro kosa fa tsy tonga dia hoe hiala maina sanatria. Mety ho izay no hanaovana ity fihaonana any Johannesburg ity ary izay koa no antony mampazoto fatratra ny filohan’ny HAT ho any sy tsy mandà ny hihaona amin’i Marc Ravalomanana.

Efa hita soritra ihany ny tohin’ny resaka aorian’izay, mety governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila no hitsangana na raha sanatria ka misy ny korontana tahaka ny hoe fakana lapa, fananonganam-panjakana na fametrahana baomba etsy sy eroa dia haka ny fahefana ny miaramila ka izy ireo no hikarakara ny fifidianana. Ho voahilika tanteraka ireo ankolafy efatra amin’izay fotoana izay, drafitra efa nampiharina io tany Guinée sy Niger ka ny Frantsay hatrany no atidoha mikotrika ny zava-drehetra. Eo no tokony hitandreman’ny mpanao politika, indrindra fa ireo filohan’ny ankolafy efatra satria raha variana amin’ny ady seza izy ireo dia hitarazoka ny krizy ary hisy handrombaka ny fitondrana indray atsy ho atsy. Averina eto foana fa fitaovana hatrany am-boalohany i Andry Rajoelina ary tsy mahafehy ny zava-drehetra mitranga eto, tsy voafehiny ny HAT, tsy voafehiny ny governemanta, tsy voafehiny ny foloalindahy. Nisy nametraka azy teo amin’io toerana io, ary ireo olona ireo ihany no hanala azy eo, mety tafiditra ao anatin’izany lamina maty paika izany ny zava-nitranga tato ho ato sy ny fihaonana hotanterahana any Johannesburg izay nitsiry avy amin’ny resaka nifanaovan’ny Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT