Miroso hatrany ny fanaovana propagandy sy ny propavandy. Misoko mangina ihany koa ireo kandida tsy mankasitraka fifidianana noho ny fomba nikarakarana azy,
izay ambaran’izy ireo fa misy tetika maloto sy tsy mangarahara. Mety misy ny tsy fahatomombanana ao, saingy tsy hisy ho afa-po 100% kosa amin’ny toe-javatra tahaka izao. Mifamahofaho ny resaka sao filam-baniny sy filam-boatsiary ihany izao, ka dia mitambatra ny kandida mitovitovy lenta. Misy ny zavatra tsy milamina loatra ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana, saingy misy ihany koa ny resaka fa tsy nahazo vola tany amin’ny nampanantena azy ny sasany. Fahita sy fandre rahateo ny hoe : kandida izatsy na izaroa, dia mpanam-bola avy amin’ny firenena atsy na avy aroa no manohana azy. Sao kosa lahy ka hitan’ny mpamatsy vola izay nampanantena fa soavaly be tongotra, araka ny fitenin’ny tanora, ka dia mba manao sinema sy mivoaka miditra toy ny lelon-jaza sisa azo atao rehefa diso fanantenana ? Efa misy rahateo no re fa lany vola sahady satria nirobaroba nialoha. Sao kosa lahy mba mitady fikafika hahazoana seza mora foana amin’izato tetika ho fiaraha-mitantana katsahina satria raha any anaty latsa-bato, dia hibata 0,022% araka ilay vazivazin’ny mpanao gazety iray ? Tsy azo boriboriana amin’izay fotsiny anefa izy ity satria ny hevitra tera-bary, ary manan-jo sy afaka mampibaribary ny heviny sy ny fahitany ny raharaham-pirenena sy ny zavatra hita fa tsy mety ireo kandida ireo, ary manana ny tanjony matoa namondron-kery. Andron’ny demokrasia tokoa angamba izao, ary tsy misy azo tapenam-bava toy ny tongobolo, saingy anjaran’ny vahoaka no mitsara ny mpanao politika amin’ny heviny sy izay ambarany e ! Ny irariana dia mba hilamina ny tany fa tsy ho lasa sorona lava noho ny politika eto ny valalabemandry mitrongy vao homana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.